· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2017

Shily: Manangana Fahalalana vaovao Momba ny Fanabeazana

  22 Oktobra 2017

Andro vitsivitsy izay, iray amin'ireo lohahevitra misarika ny sain'ireo bilaogera Shiliana ny fanavaozana ara-panabeazana. Nohavaozina ny LOCE, Lalàna Organika ny Lalàm-panorenana momba ny Mpianatra ka lasa lalàna vaovao antsoina hoe Lalàna Ankapoben'ny Fampianarana  (PLEGE).

Però: Inona No Mamono Ireo ‘Feso’ Ao Amorontsiraka Avaratra?

  21 Oktobra 2017

Nitarika korontana ny vaovao milaza fa feso 3000 no hita maty tamin'ny taona 2012 teny amin'ireo morontsiraka avaratri Però. Mampiasa ny tambajotra sosialy ireo Peroviana sy mpikatroka, tsy hoe fotsiny ho fampahafantarana ny fisian'ilay fandringanana sy hanairana ny saina, fa koa mba hanadihadiana izay antony.

Ny ‘Surf’ Any Shily

  18 Oktobra 2017

Tsy matahotra ireo mpanao 'surf' ao Shily na dia tonga aza ny vanim-potoana fahavaratra. Mandritra ny taona iray manontolo izy ireo no mivezivezy amin'ny morontsiraka mirefy 4.600 kilaometatra mahery ao Shily. Nizara lahatsary, traikefa ary ny fomba fiainany ireo vondrom-piarahamonin'ny mpankafy 'surf'.

Shily: Ny Andro Nahafatesan'I Pinochet

  17 Oktobra 2017

Iray amin'ireo bilaogera malaza indrindra ao Shily ilay mpitantana dokambarotra Roberto Arancibia . Ny feony feno hatsaram-panahy sy ny fomba fijeriny feno fanantenana no ahaizany mandanjalanja ny fanadihadiana lohahevitra isankarazany. Nefa tsy mikaroka firy izay mety hahaliana amin'ny adihevitra politika ny bilaoginy El Mundo Sigue Ahí ("Mbola Eo Ny Tontolo ").

Nampiato Ny Famokarana Noho Ny Fitokonana Ny Toeram-pitrandrahana Varahina Escondida

  17 Oktobra 2017

Nahatonga ireo mpiasa ao amin'ny orinasa varahina lehibe manerana izao tontolo izao hanomboka fitokonana 12 andro lasa izay ny fiakaran'ny vidin'ny varahina iraisampirenena . Mitaky karama tsara kokoa izy ireo. Ny alina lasa teo, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany miisa 800 no nifandona tamin'ireo mpitandro ny filaminana niezaka handrava ny fitokonana.

“Fifandonana sy Rà Latsaka no Hany Mahaliana ny Media”

NewsFrames  16 Oktobra 2017

Ady, fifandonana ary rà latsaka no hany mahaliana ny media ny mitatitra azy, ary tsy raharahainy izay lohahevitra hafa manandanja aminay ihany koa. Ao Sarayaku, anokananay ezaka betsaka tokoa ny fampahafantarana ny Kawsay Sacha, tolokevitray ho aminà fomba fiaina iray vaovao izay anasàna ny olona ho tsara fihavanana amin'ny tontolo misy azy, amin'ny tenany ary amin'ny hafa.