Fanamarihana: Ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana Aprily 2012
Fantantsika fa anisan'ny zava-mananaina tena manan-tsaina indrindra eto amin'ny planeta ireo Feso. Vitsy biby mpiremby natoraly izy ireo sady miparitaka efa ho manerana ireo ranomasina eto ambonin'ny tany. Ao Però manokana, hita any amin'ireo faritra samihafa amorontsiraka izy ireo, eny amin'ireo torapasika midadasika ao Lima izay azo anaovana fikorisàna ambony ranomasina eny anilan'izy ireny, ao anaty valan-javaboaharim-pirenen'i Paracas na eny amorontsirak'i Piura, ao avaratr'i Però, izay ahafahana mahita azy ireo toy ireo trozona Jorobas.
Nitarika korontana ny vaovao milaza fa feso 3000 no hita maty tamin'ity taona ity teny amin'ireo morontsiraka avaratry ny firenena. Milaza i Carlos Yaipén-Llanos, talen'ny ORCA, fikambanana eo an-toerana miaro ny fiainana an-dranomasina, fa ireo fahafatesana ireo dia vokatry “ny feo migobona miforona mandritra ny fampiasana ireo fitaovana fikarohana any an-dranomasina lalina mba hitadiavana solika, entona ary ireo akora mineraly hafa.”

Ireo feso ao Pisco, Però. Sary an'ny mpampiasa Flickr Alicia0928 nampiasàna CC Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)
Mbola io talen'ny ORCA io ihany koa no nampahatsiahy fa nivoaka avy amin'ireo fanadihadiana mpandinika faty natao tamin'ireo feso fa nijaly noho ny “syndrome de décompression aiguë2 ireo feso ireo, manaporofo izany, ireo fahatapahan'ny taolan-tsofina afovoany, ny emphysème-n'ny avokavoka miparitaka ary koa ireo rivotra ao anaty taova toy ny aty, ny voa ary ny lalandrà.”
Milaza ny lahatsoratra an-gazety iray tany aloha fa ny fampiasana ny teknolojian'ny fitrandrahana fantatra amin'ny anarana hoe Sismique 3d izay miteraka ireo feo migobona be no nahavoa ireo feso. Tao Tumbes, avaratr'i Piura, mampiasa an'io fomba fitrandrahana io ny orinasa BPZ mba hahazoana angondrakitra mikasika ireo toerana azo itrandrahana entona sy solika. Nolavin'io orinasa io ny zavamisy hoe, noho ireo fitrandrahana nataony, misy ireo biby any an-dranomasina no maty saingy ao anatin'ny tatitra momba ny tontolo iainana, nolazainy fa io teknolojia io dia misy fiantraikany mihitsy.
Nanambara ny Filohan'ny Kongresy fa miandry ireo Minisitry ny Tontolo Iainana, ny Famokarana, ny Angovo sy ireo Harena Ankibon'ny Tany hitondra fanazavana mikasika io tranga io manoloana ny parlemanta izy. Media iray hafa milaza fa ny IMARPE , invontoerana momba ny any an-dranomasina ao Però, no tokony hampiseho tatitra iray ofisialy mikasika io olana io.
Hardy Jones, mpanao sarimihetsika sy mpikatroka iray mikasika ny fitehirizana ny fiainana an-dranomasina, mpamorona ny BlueVoice, no tonga tao Però rehefa avy nahafantarana momba ireo tatitra voalohany nataon'ny Dokotera Yaipén-Llanos tamin'ny 25 martsa 2012. Ny 27 martsa, nibitsika sahady mikasika ireo morontsiraka avaratry ny firenena izy:
Found 615 dead
#dolphins on 135 kilometers of beach N of San Jose, Peru. Tragedy unspeakable. Please retweet. This must be investigated.
Tao anaty blaoginy manokana, tsy niresaka fotsiny tamin'ny antsipirihany bebe kokoa ny fomba izay nahafantarany ireo tranga ireo izy fa koa ny diany tao Però sy izay hitany teny an-toerana:
Carlos and his team performed necropsies on a couple of the dolphins. Seeing a new born common dolphin, umbilicus still attached was wrenching.
We raced along the hard sand at the edge of the surfline crying out when we saw a dead dolphin. At first they came every couple minutes. But then we’d hit intervals when the cries would go “dolphin! Delphin! Otro! Dos mas! There’s another one up by the dune.”
Nihazakazaka teny ambony fasika mafy izahay ary nihiakiaka mafy isaky ny mahita feso iray maty. Tamin'ny voalohany, isaky ny roa minitra no nitranga izany. Avy eo, tsy nisy intsony ny elanelana teo amin'ireo hiakiaka navoakanay: “Feso iray! Feso iray! Mbola iray hafa koa! Mbola roa hafa indray! Mbola misy maro ao anatin'ireo dongom-pasika ireo.”
Tao anatin'ny blaogin'i Blue Voice, nandefa ampahany iray avy amin'ny tatitry ny Dokotera Yaipén-Llanos izy avy eo:
As previously reported, two species have been affected: Long beaked common dolphin (Delphinus capensis) and Burmeister’s porpoise (Phocoena spinipinnis). We counted 615 common dolphins. All age classes were affected: Adult males, females, lactating females, juveniles, calves and newborns. We counted 19 porpoises, only females and calves.
Teo amin'ny Facebook, nizara ireo sary mikasika ny fikarohany ny ORCA. Nanadihady ny Dokotera Yaipén-Llanos ny fahitalavitra CNN, amin'ny fiteny espanola. Ny lahatsary manaraka dia lahatsary iray tamin'ny ampahan'ny dian'i Hardy Jones sy Carlos Yaipén-Llanos nanaraka ny morontsiraka avaratr'i Però.
Nanomboka tamin'izay fotoana izay, nampanantsoina ireo Minisitry ny tontolo Iainana sy ny Jono tamin'ny 10 Aprily mba hanome ireo fanazavana mety hifandraika amin'izay antony nahatonga ny fahafatesan'ireo feso ary momba ireo fitrandrahana solika. Tokony hitondra fanazavana ihany koa izy ireo mikasika ireo fepetra raisina mba hialàna amin'ny zavadoza mafimafy kokoa miantraika amin'ny tontolo iainanan'ny zava-mananaina an-dranomasina satria vinaniana ho 20 000 no isan'ireo feso, sy ireo karazana hafa, tandindonim-pahafatesana ary kasaina ny hanaovana ireo fitrandrahana manerana ny morontsiraka peroviana miaraka amin'ny teknolojia sismika 3d.