· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2017

Mamaha Ny Olan'ny Olom-pirenena Ny Bilaogy

  13 Oktobra 2017

Mandeha amin'ny lalambe faran'izay mafy ianao (120km / ora) , miresaka amin'ny namana iray, tony. Tampoka teo dia nisy bisy fitateram-bahoaka iray nandeha mafy nihoatra anao ka nampanontany tena anao hoe: fa firy ny hafaingam-pandeha an'izany bisy izany? Ary nanapa-kevitra ny hanaraka ilay bisy ny mpamily.

Però: Ny Ranom-boankazo Amazoniana

  13 Oktobra 2017

Alejandro, Peroviana monina any Kalifornia izay namaritra ny bilaoginy samihafa ho "tetezana eo anelanelan'i Kalifornia, Però, izao tontolo izao, ny tenako, izy ireo no fitaratra." Niverina tany Però izy vao haingana ary sambany nitsidika ny faritra avaratra atsinanan'i Amazonia sy naka sary maromaro mampiseho ny fivarotana sakafo eny an-dalambe ao an-toerana ho an'ny tranonkalan'ny bilaoginy mampilela-molotra Peru Food.

Pascua Lama, Shily: Famindràna Vongan-dranomandry Telo

  11 Oktobra 2017

Ankoatra izay, tsy misy ny fiarovana ireo harena voajanahary raha araka ny faritan'ity famintinan'ny Atina Chile (Es) ilay tetikasa misy idiran'ny velarantany 24 hektara hanisahana ireo vongandranomandry telo samihafa ity. Mitondra rano ho an'ny lohasahan'i Huasco ireo vongandranomandry.

Ny Mondialy Antserasera: Ny Bilaogin'I Lionel Messi Sa  Blognovela

  10 Oktobra 2017

Sabatra roa lela ny tranonkala manana endrika tsy fantatra anarana . Etsy andaniny, mamahanana bilaogy tsy mitonona anarana ary maneho ny tenany ho tsy manantahotra ho tratran'ny valy bontana ireo olom-pirenena izay miaina isan'andro ny fangejan'ny governemanta. Etsy ankilany, sarotra ny manamarina hoe iza no mpanoratra ao amin'ny bilaogy iray.