(Marihina fa tamin'ny 10 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Nosoratana voalohany tamin'ny teny Espaniôla tao amin'ny Cinencuentro ity lahatsoratra manaraka ity .
“Camino a la Escuela” (“The Road to School”) competes in the Seed of Tolerance contest of Current TV
The director Humberto Saco writes us to let us know that a 6 minute short version of his documentary, Camino a la Escuela, will be shown on Current TV as part of the Seed of Tolerance contest; a competition directed at journalists and filmmakers who have made some type of audiovisual work about the themes of tolerance and diversity.
The five semi-finalist films will be chosen by a renowned jury. They are: M. Night Shyamalan, Jeffrey Wright, Edward Norton, Paul Haggis, Morgan Spurlock, Melissa Etheridge and Margaret Cho. The final winner will be decided by public vote.
Here you can watch Camino a la Escuela. It's important that, additionally, we vote for the movie (give it the “green light”) so that it can achieve some of the awards of the competition. Good luck Humberto!
Mifaninana amin'ny fifaninanana Seed of Tolerance (Voan'ny Fandeferana) ao amin'ny Fahitalavitra Current ny “Camino a la Escuela” (“Lalana mankany Am-pianarana”)
Mampahafantatra antsika mikasika ny fizaran'ny horonantsary fanadihadiany fohy izay maharitra 6 minitra ‘Camino a la Escuela’ ilay mpanatontosa Humberto Saco , izay ho alefa ao amin'ny Current TV ao anatin'ny fifaninanana Seed of Tolerance ; fifaninanana iray natao ho an'ny mpanao gazety sy ny mpamokatra sarimihetsika manao ny asan'ny haino aman-jery izay miresaka momba ny lohahevitry ny fandeferana sy ny fahasamihafana.
Mpitsara iray fanta-daza no hifidy ny horonantsary miisa dimy tafakatra manasa-dalana izay ahitana an'i M. Night Shyamalan, Jeffrey Wright, Edward Norton, Paul Haggis, Morgan Spurlock, Melissa Etheridge ary Margaret Cho. Ny fifidianana avy amin'ny mpijery no hanapa-kevitra izay ho mpandresy farany.
Azonao jerena eto ny Camino a la Escuela . Zava-dehibe ihany koa ny hifidianantsika ny sarimihetsika (manome ny “hazavana maitso”) mba ahatonga izany ho mpandresy amin'ny fifaninanana. Mirary soa Humberto!
Famaritana ny sarimihetsika ity manaraka ity, izay azonao jerena etsy ambany:
We have produced an edited version of a documentary we made on the struggles of a group of rural children of Puna, Peru and their teacher. The Puna is the region of mountain range of the Andes between the 4.0 and 4.8 Km of altitude, arid tableland and the climate is cold, with very little precipitation. Everyday the children have to travel for more than two hours on foot through mountainous terrain and rivers just to get to school Their teacher also has to travel a long distance to the school on a bus that sometimes doesn't reach it's destination. When the bus is not available she hitches a ride on a truck. She is separated from her husband and children, she stays along in a cold classroom with no electricity and her only source of water comes from an outside well with freezing water. Both the children and the teacher make a daily effort to get to the school. Nevertheless they lack the indispensable learning materials. Their educational situation is typical of what children face in the rural areas of Peru. The purpose of this video is to make people who live in cities aware of the reality that exists. Children and adults all over the world should analyze the educational system in the Third World.
Namoaka ny dikan-dahatsary fanadihadiana iray nasiam-panovana notontosaina mikasika ny tolona ataon'ny vondron'ankizy any ambanivohitr'i Puna, Però sy ny mpampianatra azy ireo izahay. Faritra misy ny andian-tendrombohitra Andes eo anelanelan'ny haabon-tany mirefy 4,0 sy 4,8 km i Puna, ahitana ny havoana maina sy ny toetrandro mangatsiaka, ary tsy dia misy orana firy loatra. Tsy maintsy mandeha an-tongotra mihoatra ny adiny roa ireo ankizy mamakivaky ny tendrombohitra sy ny renirano mba ho any am-pianarana isan'andro. Tsy maintsy mandeha fiara fitanterana lalan-davitra rehefa ho any an-tsekoly ihany koa ny mpampianatra azy ireo izay matetika tsy tonga any amin'ny toerana aleha. Mitaingina kamiao izy rehefa tsy misy ny fiara fitateram-bahoaka. Nisaraka tamin'ny vady aman-janany izy, ary mipetraka ao amin'ny efitranom-pianarana mangatsiaka tsy misy herinaratra ary any ivelany miaraka amin'ny rano mangatsiaka ny hany rano azony ampiasaina. Samy manao ezaka ahatongavany isan'andro any an-tsekoly na ny ankizy na ny mpampianatra. Na izany aza, tsy ampy ny fitaovana fototra ampiasain'izy ireo any am-pianarana. Efa mahazatra ireo ankizy miatrika izany any amin'ny faritra ambanivohitr'i Però ny toe-javatra iainan'izy ireo any am-pianarana. Ny mba hisarihana ny sain'ireo olona monina ao an-tanàn-dehibe mba hamantaran'izy ireo ny zava-misy no tanjon'ity lahatsary ity. Tokony hanadihady ny rafi-pampianarana any amin'ny Tontolon'ny Tany tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa ny ankizy sy ny olon-dehibe manerana an'izao tontolo izao.
http://www.current.tv/studio/vm2/vm2.swf?type=vcc&id=13561263