Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Foiben'ny MySpace.com ao Meksika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2007)
myspace mexico

Lahatsoratra tsotra tao amin'ny bilaogy nosoratan'i Marco Islas Cruz avy any Veracruz, Mexico, no niantombohany, nitondra lohateny hoe  “Ireo Biraon'ny MySpace.com ao Meksika“.

Naneho hevitra ilay bilaogera Blinh Bling  “P Cero” , “TPT, fantatro ankehitriny ny antony maha-mirary be ireo bilaogy MySpace.”

Ny sarin'ny trano fidirana aterineto iray navadika ho takelaka MySpace ao Huauchinango, Puebla avy eo no notsaingohan'i [Es] Enchilame, ilay fampivondronana toy ny Digg noforonin'ilay Espaniola mpamorona no sady mpisolovava ireo rindrambaiko maimaimpoana, Ricardo Galli [Es]. “Darkbop” mpampiasa Enchilame no nanampy hoe [Es], “haha, nilaza tamiko ny namako iray hoe ‘fironana’ izao ny anarana fandraharahàna faranana amin'ny hoe “.com”.

Alejandro Ojeda avy amin'ilay bilaogy malaza amin'ny resaka teknika, Blogueando, avy eo no niantsampy tamin'ilay resaka [Es]:

Muchos conocemos MySpace y muchos tenemos una pagina por ahi. Muchos otros también visitamos algunas o varias páginas en MySpace. Casi a diario se habla de MySpace y muchas cosas son MySpace. Pues en México hay unas “oficinas” de MySpace. ¿Dónde? En el estado de Puebla, en un lugar llamado Huauchinango, y esta es una imagen de sus instalaciones. Espero algún día tomarme una fotografía ahí.

Maro amintsika no tsy vahiny amin'ny MySpace ary maro no manana pejy ao. Ny hafa amintsika indray mitsidika sasantsasany amin'ireo pejy MySpace. Saiky isanandro no voresaka ny MySpace ary zavatra maro no mipetraka ao. Eny, misy “birao” MySpace vitsivitsy eto Meksika. Aiza? Ao amin'ny fanjakan'i Publa, ao amin'ny toerana iray antsoina hoe Huauchinango ary ity dia sary iray amin'ireo tranon-dry zareo. Antenaiko indray andro any ny mba haka sary any.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.