Shily: Manangana Fahalalana vaovao Momba ny Fanabeazana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Andro vitsivitsy izay, iray amin'ireo lohahevitra misarika ny sain'ireo bilaogera Shiliana ny fanavaozana ara-panabeazana. Nohavaozina ny LOCE, Lalàna Organikan'ny Lalàm-panorenana momba ny Mpianatra ka lasa lalàna vaovao antsoina hoe  Lalàna Ankapoben'ny Fampianarana  (PLEGE) izany.

Nanambara ny filohan'i Shily, Michele Bachelet fa didy jadona no niavian'ny LOCE ary ity fanavaozana vaovao ity dia mifototra amin'ny fomba fijery repoblikana sy demaokratika “ary ao anatin'ny demaokrasia, ny lalàna iray dia natao hanome rariny ny fiandrianam-bahoaka ary ny LOCE ankehitriny, dia mazava loatra fa tsy manome lanja ity fitandroana ny rariny ity “

Mety ho fanondroana ny fiandohan'ny lalànan'ny fanabeazana ankehitriny izany, izay natao nandritra ny vanim-potoanan'ny didy jadona notarihan'i Augusto Pinochet.

Misy ifandraisany amin'ny fisafidianana mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana voalohany sy ny fanafoanana ny tombontsoa ara-bola ho an'ny sekoly tsy miankina ny iray amin'ireo olana roa ifandirana amin'ity fanavaozana ity.

Mariana Aylwin, minisitry ny fampianarana taloha (ary zanaka lahin'i Patricio Aylwin, filohan'i Shily teo aloha), nandefa lahatsoratra milaza fa nisafidy ankizy ny sekolim-panjakana satria tsy mbola ampy ny sekoly ho an'izy rehetra taloha. Nilaza koa izy fa ireo sekoly izay mbola tsy maintsy mifantina mpianatra dia noho ny fangatahana marobe loatra, izay tokony hatao anatin'ny mangarahara ny dingana fifantenana.

Nitombo ny isan'ny sekoly nandritra ny taona vitsy lasa. Nanazava i José Joaquín Brunner, manam-pahaizana momba ny fanabeazana fa manome fampianarana ho an'ny antsasaky ny mpianatra Shiliana ny sehatry ny fampianarna tsy miankina, izany hoe mpianatra iray tapitrisa. Ka ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika izany dia tokony hifantoka amin'ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin”ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

Mba hahatakarana ireo olana ankapobeny hafa, manazava ny fahasamihafana ankapobeny sasany momba ity fanavaozana vaovao ity i Rodolfo, profesora ao amin'ny Oniversiten'i Talca:

“Actualmente la LOCE se centra en que el Estado debe resguardar la libertad de enseñanza, sin prestar similar atención al derecho a la educación. El proyecto propone equiparar ambos derechos. La LOCE actual no obliga al Estado a financiar un sistema gratuito que asegure el acceso a la enseñanza preescolar; la modificación extiende esta obligación a la enseñanza preescolar.

En la actualidad la LOCE permite el financiamiento público a instituciones educacionales privadas con fines de lucro, creadas sin mayores exigencias respecto de su creación y continuidad. En paralelo las escuelas municipales deben funcionar con subvenciones irrisorias basadas en la asistencia y sin real autonomía. El resultado lo tenemos a la vista: una educación de mala calidad. Por eso extraña que se afirme que la LOCE no tiene nada que ver con una educación de calidad: tiene mucho que ver. Lo anterior no implica que la LOCE sea la solución para una educación de calidad, pero ella contiene las bases conceptuales, los fundamentos, los cimientos, sobre las cuales se construye el sistema educativo. Lo que corresponde es que ella recoja la amplia experiencia nacional e internacional en la materia”.

Amin'izao fotoana izao, ny LOCE dia mifototra amin'ny zava-misy fa tokony hiantoka ny fahalalahana hampianatra ny Fanjakana, tsy lazaina intsony ny zo hoahazo fanabeazana. Ny tolo-kevitry ny tetikasa dia maniry ny hampifandanja ireo zo ireo. Tsy manery ny fanjakana hamatsy vola ny rafitra malalaka, tahaka ny fahazoana fanabeazana akaninjaza (ho an'ny ankizy madinika) ny LOCE ankehitriny, manitatra ny adidy hampiditra ny fanabeazana akaninjaza ny fanitsiana natao.

Raha ny zavamisy, ny LOCE dia mamela ny famatsiam-bolam-panjakana ho an'ny sehatry ny fampianarana tsy miankina mitady tombombarotra, natsangana tsy misy tinady goavana amin'ny fananganana azy sy ny fitohizan'izy ireo. Ny sekolim-panjakana, raha ampitahaina, dia tsy maintsy miasa amin'ny fanampiana ara-bola mampihomehy [kely loatra] mifototra amin'ny fahatongavana nefa tsy manana fizakantena loatra. Hitantsika ny vokatra: Fampianarana ratsy kalitao. Noho izany, hafahafa ny mahita filazana fa tsy misy ifandraisany amin'ny kalitaon'ny fanabeazana ny LOCE: marobe ny ifandraisany. Tsy midika izany fa ny LOCE no vahaolana ho an'ny kalitaon'ny fanabeazana, saingy ahitana ny fototra ara-kevitra, ny antony, ny fototra hananganana ny rafi-panabeazana izany. Mifanaraka amin'ny fanitarana ny traikefam-pirenena sy iraisam-pirenena amin'ity olana ity izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.