Ny Vola Inti Fahatsiarovana Ny Fotoana Nahamontsana ny Toekarena Peroviana

Vola taratasy arivo intis. Sary tao amin'ny Flickr-n'ilay mpisera A.Davey (CC BY-NC-ND 2.0).

Raha Peroviana ianao ary 35 taona mahery, mety ho tsaroanao ny fotoana nahagaigy ny toekaren'i Però, indrindra nandritra ny tapany faharoa ny taompolo 1980. Nandritra ireo taona ireo, ny teny toy ny fisondrotam-bidim-piainana -miaraka amin'ny fanamafisana azy, fisondrotam-bidim-piainana tafahoatra- ny tsy fisiana, ny tsy fahampiana sy ny maquinita dia nalaza teo amin'ny fiteny andavanandro (ny maquinita, ara-bakiteny hoe “milina kely”, dia fomba fitenenana mahazatra hiantsoana ny fanontanam-bola tafahoatra tsy misy fanohanan'ny Tahirin'ny Banky Foibe, andry mpanonta vola ao amin'ny firenena).

Nandritra io fotoana io ny governemanta no namorona vola vaovao antsoina hoe the inti (teny Quechuan milaza ny “masoandro”), vola fohy niainana teo anelanelan'ny taona 1985 ka hatramin'ny taona 1991, ary noho ny fihenan-tsandam-bola goavana, dia nosoloana nuevo sol (ara-bakiteny, masoandro, fantatra ankehitriny amin'ny anarana ofisialy hoe sol). Tsy mandainga ny tarehimarika, tamin'ny taona 1985, iray inti dia mitotaly arivo nuevos soles; saingy tamin'ny taona 1991, ny nuevo sol dia (misanda) iray tapitrisa intis.

Nandritra ireo taona ireo, nahatratra hatramin'ny 2.178,49% ny tahan'ny fitambaran'ny fisondrotam-bidim-piainana tao amin'ny firenena. Tarehimarika izay toa goavana raha ampitahaina amin'ny fiakaram-bidim-piainana tamin'ny taona 2016 amin'ny taha 3,23%.

Na dia izany aza, zava-dehibe ny manamarika fa nandritra izany vanim-potoana izany, niaritra fanafihana fampihorohoroana hatrany i Però , iray amin'ireo antony maro nahatonga ity tahan'ny fisondrotam-bidim-piainana ity koa ny politika ara-toekarenan'ny Filoha Alan García nandritra ny fitantanany voalohany  (1985-1990). Araka ny voalazan'ny Wikipedia:

  • Ese gobierno siempre recurrió a los recursos del Estado para impulsar un funcionamiento privado a corto plazo compatible con una baja inflación aparente. Después de 2 años de experimento de una política económica improvisada, el gobierno aprista de Alan García fue autodestruyéndose. […].
  • A partir del tercer año de ese gobierno o desgobierno vinieron las reacciones de la población frente a los ajustes de los llamados “paquetazos”, seguido de las colas que tenían que hacer todos para conseguir una cierta cantidad de productos de primera necesidad como son leche, pan, arroz, azúcar.
  • Nampiasa foana ny loharanombolam-panjakana izany fitondrana izany mba hampiroboroboana ny fampandehan-draharahan'ny tsy miankina mandritra ny fotoana fohy mifanaraka amin'ny toa fidinan'ny sondrobidim-piainana. Taorian'ny roa taona nanaovana andranandrana politika ara-toekarena, nanomboka nanimba-tena ny fitantanan'i Alan García. […].
  • Hatramin'ny taona fahatelon'ny fitantanana, na ny tsy fisian'ny fitantanana, nanomboka nanohitra ny fanitsiana ara-toe-karena fantatra amin'ny anarana hoe paquetazos (ara-bakiteny “fonosana lehibe” na “fiovana lehibe” na “fanitsiana lehibe”) ny vahoaka, amin'ireo filaharana lavabe tsy maintsy ataon'ny tsirairay mba hahazoana izay tena filàna fototra, toy ny ronono, mofo, vary, siramamy.

Manjaka ny fahatsiarovana ny tsy fisiana sy ny filaharana lava be mba hahazoana ireo entana ilaina andavanandro. Nisy mihitsy ireo olom-pirenena sasany nanararaotra nampahatsiahy ny filoha García teo aloha mikasika izany, na dia amin'izao fotoana izao aza:

Sioka voalohany (avy amin'i Alan García) mitaraina momba ny orinasan'ny finday: Nandritra ny 32 andro, mamaly ny tolotra avy aminareo hoe “nandrakitra tsy fetezana ao amin'ny faritra misy anao izahay”. Rahoviana ianao vao mihevitra hamaha izany olana izany?
———-
Sioka faharoa: Milahara ramose.

Amin'izao fotoana izao, rehefa mampiasa indray ny teny toy ny hoe fisondrotam-bidim-piainana tafahoatra, filaharana, tsy fisiana ny fampahalalam-baovao mba  hiresahana ireo firenen-kafa, tahaka an'i Venezoela, mbola mahatsiaro indray ny vola inti ny Peroviana.

Bilaogy Ratapelada mitantara amintsika momba ny fihenan-tsandan'ny vola taratasy haingana sy ny fomba nampiasàn'ny Peroviana ny vola taratasy ihany, satria tsy nisy ny vola madinika nivezivezy.

La galopante hiperinflación aprista acabo con su existencia [del inti] de la manera más rápida posible. Una imagen recurrente de esta moneda se asocia con enormes fajos de billetes que, debido al fenómeno inflacionario, perdían su valor adquisitivo en cuestión de meses o semanas. Si bien los primeros billetes fueron los de 10, 50, 100 y 500 intis. Ya en 1986 se introdujo un billete de 1.000 intis. […] En 1988 fueron introducidos billetes de 5.000 y 10.000 intis. En 1989, fueron introducidos los billetes de 50.000 y 100.000 intis. A inicios de 1990 fue introducido un billete de 500.000 intis, y en el segundo semestre de ese mismo año empezaron a circular los billetes de 1 y 5 millones de intis.

Ny fisondrotam-bidim-piainana tsy voafehin'ny fitantanana tahirin'ny antoko APRA [antokon'i Alan García] dia niafara tamin'ny fisian'ny [inti] fotoana fohy araka izay tratra. Ny sary miverimberina amin'ity vola ity dia mifandray amin'ny fehezam-bola goavana, izay noho ny fiakaran'ny vidim-piainana, dia very sanda nandritra ny volana vitsivitsy na koa herinandro maromaro. Ny vola taratasy voalohany dia 10, 50, 100 sy 500 intis. Tamin'ny taona 1986, nampidirina ny vola taratasy 1.000 intis. […] Tamin'ny taona 1988, nampidirina ny vola taratasy 5 000 sy 10 000 intis. Tamin'ny taona1989, nanana vola taratasy 50.000 sy 100.000 intis isika. Tany am-piandohan'ny taona 1990, nampidirina ny vola taratasy 500.000 intis, ary tamin'ny tapany faharoa tamin'io taona io, nanomboka nivezivezy ny vola taratasy 1 sy 5 tapitrisa intis.

Tao amin'ny Twitter, nizara ny sarin'ireo vola taratasy manana sanda ambony ny mpiserasera sasany:

Amin'ny iray tapitrisa intis, afaka mividy ronono iray boaty ianao.
Lafo avokoa ireo.
mahery ny iray tapitrisa.

Sioka voalohany: ???, mifohaza ianao, ANGATRA ARA-POLITIKA, tsy taona 1990 intsony izao, fony ianao namitaka ny rehetra. Tadidio ny 5%-nao!!!
——-
Sioka faharoa: [Filoha teo aloha] Alan [Garcia], tadidinao ve ity vola taratasy ity? Eny tokoa, 5 “tapitrisa” intis. Ankehitriny, hahazoanao sakafo maraina mofo singany dimy, dibera sy kaonfitiora izany!
——-

Izany 5% izany dia manondro ny fitambaran'ny vato azon'i Alan García tamin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2016.

Ao amin'ny rohy: Taratasy vola Peroviana: ireo ny intis nanomboka tamin'ny taona 1980 [SARY]
Navoaka ny intis mba hisolo ny soles nihen-danja, saingy vetivety ihany sy nampalahelo ny niainan'izy ireo.
——
Sioka: Taratasy vola Peroviana: ireto ny intis nanomboka tamin'ny taona 1980 [SARY]
——

Intis amin'izao fotoana izao: inona no azonao vidiana amin'ireto vola taratay ireto? [LAHATSARY]

Misy ireo tranonkala fivarotana antserasera sasany manolotra izany ho zavatra fanangona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.