Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jona, 2019

Iran Inside Out

  13 Jona 2019

Iran Inside Out no tetikasa voalohany natokana hampiroboroboana ny fampandrosoana sy ny fizaràna horonantsary sy lahatsary antserasera ao Iran. Niara-niasa tamin'ireo klioban'ny horonantsari-mihetsika ao Tehran ny mpitarika ny tetikasa, Shaghayegh Azimi mba hamantatra ireo tanora mpamokatra sarimihetsika ka handrisika sy hanohana azy ireo hamokatra horonantsary sy hamoaka azy ireo antserasera.

Zavatra tena iainana amin'ny vanim-potoana nomerika

  13 Jona 2019

Manondro ny tenany ho "toeram-pizahantany manaraka" any Shina ny tanànan'i Shenyang, renivohitry ny faritany Liaoning. Saingy raha mitsidika ireo pagôdy fahiny ao amin'ny Tanàna Fahiny na ny "Faritra Fampandrosoana ny Indostrian'ny Teknolojia Avo Lenta" ianao, dia tsy holazain'ny takelaka ho an'ny mpizahatany mihitsy ireo mpivaro-tena lehilahy sy vehivavy izay avy amin'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra.

Chariboan Joi

  13 Jona 2019

Mitrandraka ny fomba fampiasana finday mba hitantarana ny hetsika sy hanampy amin'ny fandraketana ireo angano sy tantara zarain'ireo mpanakanto eo an-toerana amin'ny fitenin-drazana Shipibo sy nadika tamin'ny fiteny hafa ireo mpitati-vaovao nofanina vao haingana avy ao amin'ny Fikambanan'ny Tanora Tompotany ao amin'ny Faritra Ucayali (OJIRU).

Mandrava ny fahanginana ao Kwa Mashu

  13 Jona 2019

Ao amin'ny tanànan'i Kwa Mashu, any ambanivohitr'i Durban, Afrika Atsimo, mampiasa ny laboratoarany Ekhaya Imagination Lab ny Tetikasa Fampandrosoana ny Fiarahamonina Kwa Mashu (K-CAP) mba hampiofanana ireo olon-tsotra tia mampita vaovao 20 avy ao an-tanàna

Ceasefire Liberia

  13 Jona 2019

Eo andrefan'i Côte d'Ivoire ihany no misy an'i Liberia, izay manana mponina eo amin'ny 3,5 tapitrisa eo ho eo. Nonenan'ireo andevo afaka avy any Etazonia tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19, tafiditra tao anatin'ny ady an-trano sy korontana naharitra 14 taona i Liberia izay nifarana tamin'ny faran'ny taona 2003 tamin'ny fahatongavan'ny CEDEAO sy ny Firenena Mikambana.

Ny tantaran'ny vatsy bitika Rising Voices

Blaogim-Piarahamonina GV  12 Jona 2019

Fantatrao ve fa naharay fifaninana famatsiam-bola madinika miisa 10 ny Rising Voices tao anatin'ny 8 taona? Fantatrao ve fa nahazo fangatahana miisa 4.075  izahay nandritra io fotoana io? Raha totaliana, nanome famatsiam-bola sy nandrafitra tetikasa miisa 57 isankarazany manerantany izahay.

Diarin'ny Fonja [ Prison Diaries]

  12 Jona 2019

Fampidirana: Tetik'asa vaovao ataon'ny Students Expressing Truth [Mpianatra maneho ny marina] ny Prison Diaries [Diarin'ny Fonja], fandaharana fanarenana ifanaovan'ny mpiray voafonja izay mifantoka amin'ny fahombiazan'ny fampiatiana ireo gadra ao amin'ny fiarahamonina jamaikana aorian'ny famotsorana azy ireo. Ampanaovan'ny Prison Diaries fanazarana ny voafonja notsongaina amin'ny fomba hibilaogena sy handraketam-peo ny zava-misy iainany...

Hospice Casa Sperantei

  12 Jona 2019

Jereo sarintany lehibe kokoa  Teny Fampidirana : Manofana mpanampy mpitsabo, dokotera ary ekipa amin'ny fampiasana fitaovana fandraketam-peo sy horonantsarimihetsika mba ahafahana mizara mivantana ny tantaram-piainan'ireo marary tratran'ny aretina mety hahafaty ny Hospice Casa Sperantei, ao Brasov, ao Romania. Mampiasa bilaogy ihany koa ny mpiandraikitry ny Ivontoerana mba ahafahana manazava ireo...

Drop-In Center

  12 Jona 2019

Mampiasa lahatsoratra, sary, podcasts (fandraketam-peo), ary lahatsary an-tserasera i Pavel Kutsev avy ao amin'ny Drop-in Center mba hizarana ireo zava-niainany amin'ny toerana fampihenana fanaintainana manimba ao Kyiv, Okraina.