Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jona, 2018

RV 5 Taona: Fijoroana Vavolombelona Amin'ny Fifohazan'Ireo Vehivavy Iemenita

  30 Jona 2018

Anisany iray nahazo tombony tamin'ny tetikasa Rising Voces ny "Fahavitantenan'ireo Vehivavy iemenita Mpikatroka amin'ireo Tekinika Vaovaon'ny Media", notarihan'i Ghaida'a Al Absi. Nieritreritra izy fa sahala amin'ny jiro jabora anatin'ny maro ny tetikasa EWAMT, izay manazava ny haizina ao Yemen. Ary nanaporofo marina io satria nanana fahasahiana ireo mpandray anjara sasantsasany tamin'ny fanoratàna momba ireo savorovoro politika nandritra ny revolisiona tao Yemen tamin'ny taona 2011.

Kibera: Mampahafantatra Bebe Kokoa An'ireo Vondrom-piarahamonina Voahilikilika

  21 Jona 2018

Nandritra ny Fihaonambe an'ny Global Voices tany Naïrobi tamin'ny taona 2012, vondrona iray tamin'ireo mpikambana mpikarakara no tonga tany amin'ny tanàna faran'izay tsizarizary ao Kibera. Anisan'izany i Leila Nachawati ary tafahaona tamin'ireo tomponandraikitra eo an-toerana sy ireo mpandray anjara amin'ny Map Kibera trust, izay miezaka ny manentana ny tontolo ivelany amin'ireo filàn'ny mponina ao Kibera, amin'ny fampiasana ny lahatsary sy ireo media sosialy. Inty ny tatitra mikasika ny fitsidihany.

Famoahana Ireo Fitaovana video4change Vaovao

  20 Jona 2018

Mpikatroka Lahatsary na olompirenena mpanao gazety mikaroka tahirin-kevitra momba izay mitranga manodidina anao ve ianao? Ity lahatsoratra ity dia manangona ireo loharano malalaka, vaovao ary ireo torolàlana mikasika ny lahatsary fanaovana fanadihadiana - ireo rehetra ireo dia azo alaina amin'ny fiteny Anglisy, Arabo ary Birmana avokoa.