Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Novambra, 2012

Trano Famakiam-boky Ho Toy Ny Teboka Fiaingana Hamelomana Ny Fiteny Tz'utujil

  03 Novambra 2012

Ny trano famakiam-boky Rija'tzuul Na'ooj ao San Juan la Laguna, Goatemala dia nampiroborobo hetsika samihafa handrisihana ny fampiasàna ny fiteny Tz'utujil eny anivon'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Ny talen'ilay trano famakiam-boky, Israel Quic, dia nanagana ireny hetsika ireny, sady nanampy fifantohana famenony tety anaty aterineto, amin'ny alàlan'ny bilapogy sy ireo media sosialy mba handrisihana be kokoa ireo mpiteny hampiasa ny fiteny Mayan ho famelomana ny fanoratana azy io.