Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Desambra, 2011

Ny Fihiràna Ny Hiram-pirenena Amin'ny Fiteniny Manokana

Any amin'ny toerana iray ianao dia mety hahita ireo dikany hafa amin'ny alalan'ny lahatsarin'ny haino aman-jerim-pirenena izay nalefa tao amin'ny YouTube. Raha tsaraina avy amin'ny tsikera tao amin'ireo lahatsary ireo, ireo lahatsary dia fahatsapàna rehareha ho an'ireo mpiteny ireo fiteny ireo mba hanandratana avo ny voninahi-pireneny amin'ny alalan'ny fiteniny manokana.

31 Desambra 2011

Okraina: Mampiasa Lahatsary Hisoloana Vava

Koa satria ny ampahany amin'ny ezak'ireo mpiaro dia nikendry ny hamaha ny olana amin'ny fitohizana ny fitsaboana ORT, ireo Okrainiana mafàna fo miady ho fampihenàna ny fiantraikany ratsy dia namokatra lahatsary izay mampiseho amin'ny antsipirihany ny raharaha manodidina ity olana ity, milaza ny tantaran'ireo olona mijaly noho ny tsy fihetsehan'ireo manam-pahefàna amin'ny fitsaboana sy mitatitra mikasika ireo fahombiazana kely tamin'ity fandraisany anjara ity.

31 Desambra 2011

Bolivia: Ny Hetsika Ankalamanjàna “Fiaraha-mientan'ny Conectándonos”

Ny fiaraha-mientan'ny "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao tamin'ny 12-14 Desambra, dia nitondra mpitarika vaovao liana amin'ny fikatsahana fomba hampandraisana anjara ny fampiasàna ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra amin'ny fiovàn'ny ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Famintinana fohifohy mikasika ny hetsika ho an'ny daholobe natao ny 13 desambra ity.

27 Desambra 2011

Bolivia: Andro 1-n'ny Fiaraha-mientan'ny “Conectándonos”

Ny fiaraha-mientan'ny "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao ny 12-14 Desambra dia nitondra mpitarika vaovao liana tamin'ny fikarohan-dàlana amin"izay fomba hahafahan'ny fampiasàna ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra mandray anjara amin'ny fiovàna ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ity no famintinana fohy ny Andro 1.

26 Desambra 2011

Mba Hahazoana Habaka Niomerika Ahitàna Fandraisana Anjara Betsaka

Ny Rising Voices dia mikarakara fiaraha-mientana in-telo miantoana ao Cochabamba, Bolivia ny 12-14 Desambra miaraka amin'ireo feo izay vao nisondrotra sy ireo mpamorona ny media niomerika hafa. Ny tanjon'ny fivondronan'ny "Conectándonos" (Connecting) dia mba hitondra fanohanana sy fampiofanana mpandray anjara miisa 35 avy amin'ireny vondrom-piaraha-monina zara raha voasolo tena ireny ary ireo mpiara-miasa akaiky amin'ireo vondrona ireo mba hahafantarana ny fomba azony irotsahana hiantohana fa ho toerana hiaraha-mifanotrona ny haba dizitaly Boliviana miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ny seha-piaraha-monina rehetra

26 Desambra 2011

Bolivia: Andro 2-n'ny Fampivondronana Conectándonos

Ny Fampivondronana "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao tamin'ny 12-14 Desambra dia nitondra mpitarika vaovao liana amin'ny fomba hahafahan'ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra handray anjara amin'ny fiovàn'ny ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ity no famintinana fohy ny Andro 2.

21 Desambra 2011

Blogging Positively: Fandefasana Bitsika Momban'ny Andro Eran-tany Natokana Ho An'ny SIDA 2011

Manatona azafady ny vondrom-piarahamonina 'Rising Voices - "Blogging Positively" mba hizaranao ao amin'ny Twitter hoe ahoana ny fijerin'ny fiarahamonina misy anao ny 1 Desambra, Andro Eran-tany ho an'ny SIDA. Manasa anao izahay hampiasa ny tenifototra #BlogPos sy #WAD11 mba hahazoana ny zava-misy amin'ny ankapobeny momba ity andro fankalazàna ity.

13 Desambra 2011

Januária: Hafakely, Hafakely, Vakio Daholo Ny Momba Izany!

Satria zava-dehibe ny tetikasa "Friends of Januária" na "Ireo Sakaizan'i Januaria " izay tohanan'ny Rising Voices dia misy gazety manokana antsoina hoe “Folha do Norte” (Northern Page) nivoaka mba hahazoan'ireo mponina eto an-toerana mamaky ireo tantara mahakasika ny raharaha misy eto an-toerana izay novokarin'ny olon-tsotra mpanao gazety eto an-toerana ihany.

13 Desambra 2011