Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jolay, 2018

Rising Voices sy ny mondialy

Milaza ny olona fa tena hetsika iraisam-pirenena tokoa ny Mondialy. Nanoratra momba izany mba hanehoana ny fitiavan'izy ireo ny bilaogera ao amin'ny tetikasa Rising Voices maro manerana ny kaontinanta .

31 Jolay 2018

EWAMT-Yemen: Vita ny atrikasa voalohany tamin'ny famahanana bilaogy

Efa nampahafantarina antsika ny tetikasan'i Ghaida'a Al Absi 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' izay nampiofana ireo vehivavy mpikatroka ao Yemen ary niaraha-niasa tamin'ny hetsika Hand In Hand . Iray amin'ireo nahazo vatsy fanohanana avy amin'ny Rising Voices ry zareo. Faly izahay fa vita soaman-tsara ny atrikasa fihodinana voalohany.

30 Jolay 2018

Fantaro ireo bilaogera vaovao ao Liberia

Tamin'ny volana Oktobra lasa teo, mpanao gazety Liberiana sivy no nianatra ny fomba fibilaogina nandritra ny atrikasa tao amin'ny Ambasady Amerikana ao Monrovia. Noho ny fanohanan'ny Foibe ho an'ny Demokrasia sy ny Fampandrosoana ao amin'ny UMass Boston, tafaverina eto Monrovia aho ankehitriny miaraka amin'i Kathleen Flynn sy Ken Harper.

30 Jolay 2018

[Lahatsary] Antsafa niarahana tamin'i Kwanele Butana avy ao amin'ny Grocott's Mail

Mpandrindra ny fandaharanasan'ny asa fanaovan-gazetin'ny olon-tsotra ao amin'ny gazety Grocott's Mail ao Grahamstown, Afrika Atsimo i Kwanele Butana. Tetikasa "The News is Coming" naorin'ny Knight News Challenge ny fandaharanasa. Ato amin'ny lahatsary, manoritsoritra ny maha-zava-dehibe ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ny fanoratana momba ny vodrom-piarahamoniny ao an-toerana i Kwanele.

28 Jolay 2018

FOKO: manentana feo vaovao hatrany hatrany

Maro dia maro no nitranga tamin'ny FOKO Madagasikara nandritra ny volana lasa. Tsy nanakana ireo mpikatroka mavitrika tsy hibilaogy ny tondra-drano sy ny krizy maha-olona nateraky ny ny rivo-doza telo samihafa tamin'ny volana Febroary 2008 izany. Natao tao anaty fandaharam-potoana ny atrikasa momba ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.

27 Jolay 2018

Ny tarika Paniagua

Zavatra iray ho tsikaritrao avy hatrany raha mitsidika ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao La Loma ao Medellín, Kolombia ianao dia saika manana anarana telo na efatra mitovy avokoa ny vondrom-piarahamonina iray manontolo . Ny iray amin'ireo mahazatra indrindra dia ny hoe "Paniagua" -  izay hazavain'ny bilaogera sady mpiangaly mozika manan-talenta Dneiber Sady ao amin'ny horonantsary etsy ambony ny tantara nahatonga izany .

27 Jolay 2018

[Fandikan-teny] Fahadisoam-panantenan'ny bilaogera

Nahita ny ankamaroan'ny tetikasa Rising Voices fa ny fampiofanana olona mikasika ny fomba fibilaogina dia dingana tena tsotra. Ahafahana manangana bilaogy vaovao haingana sy tsotra tahaka ny manangana kaonty mailaka vaovao ny tolotra tahaka ny WordPress sy Blogger.

26 Jolay 2018