Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Novambra, 2013

Miaraka Aminay Eny Foana Ny Aterineto N'aiza N'aiza Alehanay

Vao nampahafantarina vao haingana ny fitaovana fisintonana ny onjan'ny zanabolana, ka ny Rising Voices no ho afaka hitondra ny aterineto any amin'ny faritra maro, izay tsy dia ahitàna na tsy misy fomba ahazoana aterineto, ka manokatra làlana sy fahafahana vaovao hampianatra sy hizara ao amin'ny aterineto izany.

29 Novambra 2013

Manokatra Lafin-tany Vaovao Ho An'ny Radio Los Inestables

Mitohy hatrany ireo andianà atrikasa isaky ny herinandro ao amin'ny Hopitaly fitsaboana aretin-kozatra aman-tsaina "neuro-psychiatrique" ao Córdoba, Arzantina izay karakarain'ny Tetikasa Radio Los Inestables vatsin'ny Rising Voices vola. Indreto mpandray anjara sasany mizara ny fomba nianarany ny fampiasàna fitaovana vaovao sy ny teknikan'ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra.

23 Novambra 2013

Fihaonan'ny Global Voices any Cairo, Ejipta

Kasaina hatao ny 16 Novambra ho avy izao any Kairo, Ejipta, ny Fihaonana ataon'ny Global Voices. Miangavy anao hanatevina ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny GV ho an'ity fihaonana manokana ity.

16 Novambra 2013