Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Aogositra, 2014
Fitsipi-pitondrantena Ataon’ ny Tena Samirery, Mba Ho Fepetra Arahana Amin'ny Fanaovan-gazety
Tsy misy refy tokana efa raikitra, ho an'ny fitsipi-pitndrantena tokony arahana amin'ny fanaovana gazety. Mamorona fitarikandro ho an'ireo tetikasa vaovao-nà fanaovana gazety sy ireo mpanao gazety ny "Online News Association", mba hahitan'izy ireo ny tena mety aminy.
Tovovavy Mpikatroka: Mizara Ny Tantaranay Antserasera Manokana Ao Kyrgyzstan
Mizara ny fahalalany miaraka amin'ireo tovovavy manodidina ny tanàna ambanivohitra ireo Tovovavy Mpikatroka ao Kyrgyzstan mba ahafahan'izy ireo miara-miresaka sy mizara izay lohahevitra lehibe mikasika azy ireo.
Cloghers-to-Be: Manomboka Manangana Ny Bilaoginy Ny Vehivavy Tanora Kambodjiana
Efa nanomboka ny fiofanana hoan'ny vehivavy mba hianatra hanangana sy hanoratra ny bilaogin'izy ireo manokana ny tetikasa Cloghers Kambodziana, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices' .
Fihaonan'ny Mpikatroka Teny Indizeny Ao Oaxaca, Meksika
Manasa ireo mpikatroka teny indizeny manerana an'i Meksika ny Global Voices, amin'ny alalan'ny fisantaran'andraikiny Rising Voices mba handray anjara amin'ny Fihaonana momba ny Fikatrohana Antserasera Hoan'ny Teny Indizeny izay hotontosaina amin'ny 3 hatramin'ny 5 Oktobra ao amin'ny Foibe Ara-kolontsaina San Pablo, ao Oaxaca de Juárez, Meksika.
Fiaingana Ara-Teknolojika Vaovao Hoan'ny Firenena Umoⁿhoⁿ
Amin'ity tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ity, miandrandra fatratra ny media sosialy amin'ny famelomana ny teny Umoⁿhoⁿ i Valita Stabler.
Manao Fikarohana Ny Fiheveran'ny Ogandey Ny Atao Hoe Demaokrasia Ny Mpanao Tantara Mitohy Amin'ny Radio
Ny Common Community dia fisantaran'andraikitra fizaram-baovao eo amin'ny fiarahamonina, natokana hanentanana ny faritra Lango ao Ouganda mikasika ny olan'ny fifidianana .Hiresaka momba ny fitantanana, fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena sy ny fampandrosoana ny ara-tsosialy ny fandaharana tantara mitohy isa-kerinandro amin'ny radio, izay vokarin'ny Theatre Technology House (TTH).