Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jolay, 2014

Empowering Cloghers (Fandrisihana ny Bilaogera Vehivavy)!

Inona no atao hoe Clogher? Manazava ny fikasan'izy ireo hanatontosa fiofanana sy fanohanana hoan'ireo bilagera vehivavy vaovao avy amin'ny faritra ambanivohitra sy ny fiarahamonina manerana an'i Kambodjia i Sopheap Chak. Empowering Clogher dia anisan'ny tetikasa vaovao nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

30 Jolay 2014

Los Inespertos: Mikaroka Vaovao Avy Eny An'arabe

Miditra amin'ny fampiharana ny zavatra nianarany momba ny podcast ny Los Inespertos, mpandray anjara avy amin'ny Radio Los Inestables, nahazo famatsiana tamin'ny Rising Voices, tamin'ny firotsahany an-dalambe nanangona ny feon'ireo mpanao hetsi-panoherana tao Córdoba, Arzantina.

29 Jolay 2014

India: Gazety Ao An-toerana Vokarim-Behivavy

Gazety iray nahazo ny loka BOBs, vokarina ao an-toerana ary any ambanivohitra ny Khabar Lahariya, atao amin'ny fiteny eo an-toerana, ary vehivavy 40 no mampihodina azy. Mba hahalalàna misimisy kokoa dia niresadresaka tamin'ny mpandrindra ny famoahana ao aminy, Poorvi Bhargava , izahay.

22 Jolay 2014

“Atsimon'ny Atsimo”: Mozika Malalaka – Fivoriana!

Efa manomboka ireo tetikasa nahazo vatsy 2014 avy amin'ny Rising Voices. Hohenointsika amin'ny alalan'ny lahatsoratra bilaogy isam-bolana ny fandroson'ireo. Ny tetikasa "Atsimon'ny Atsimo" ao Mérida, Meksika no hanomboka izany, izay hiara-hiasa amin'ireo mpitendry mozika ao an-toerana sy hizara ireo mozika ao amin'ny aterineto, anisan'izany ireo hira amin'ny teny indizeny.

16 Jolay 2014

Fampahalalam-baovao An'olo-tsotra: Ahoana No Hampafantarana Amin'ny Olona Ny Lahatsarinao

Namokatra tari-dalana telo vaovao maimaim-poana fanampiny ny tambajotra Video4Change vao haingana, anisan'izany ny "Tari-dalana Fampidirana Lahatsary (Video Compression Guide)", "Tari-dalana hoan'ny Habaka Hizarana Lahatsary (Guide to Video Distribution Sites)", sy ny "Fomba Fikarakarana Fandefasana Horonantsari-mihetsika (How to Host a Film Screening)".

06 Jolay 2014