Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jona, 2019

Fifantenana ireo mpandray anjara amin'Ilay Atrikasa PCPRC “Fahaizana mamaky sy manoratra ny media ary Fanoherana ny fandrebirebena”

  20 Jona 2019

Vao avy nandefa antso ho fifantenana ny antotan-taratasin'ireo handray anjara amin'ilay atrikasa “Media Literacy and Resisting Manipulation” atao ho an'ny tanora tao Sarajevo, Bosnia sy Herzegovina (BiH) ny 25 – 29 Oktobra, 2014 ny Post-Conflict Research Center (PCRC). Totoafo ny valinteny azon-dry zareo avy amin'ny toerana samihafa ao amin'ny firenena

Sekoly Serba momba ny asa fanaovan-gazety antserasera

  18 Jona 2019

Natsangan'ilay Serba bilaogera menavazana sady mpankafy mediam-bahoaka, Ljubisa Bojic tao Belgrade, manangona ireo manam-pahaizana momba ny mediam-baovao ao an-toerana tahaka an'i Danica Radovanovic sy Lidija Kujundzic ny Sekoly Serba momba ny Asa Fanaovan-gazety Antserasera mba hampianatra ireo fototry ny fampitam-baovaon'olon-tsotra amin'ireo mpanao gazety nentim-paharazana sy ny Serba sarambabem-bahoaka.

Nazra – Tetikasa Firesahana ireo lohahevitra fady

  17 Jona 2019

Matetika lohahevitra voaràra any Egypta ny lohahevitra momba ny fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy, ny fahasamihafana ara-pananahana, ny fifandraisana sahaza eo amin'ny lahy sy vavy ary ireo lohahevitra mifandraika amin'izany. Maro ireo mihevitra fa tokony resahana amin'ny mangingina ireo lohahevitra ireo, raha tsy izany tsy resahana mihitsy.

Onjam-peom-piarahamonina ho an'izao tontolo izao avy ao Amazonia Ekoadaoreana

  17 Jona 2019

Natao tao an-tanànan'i Macas, ao amin'ny faritanin'i Ekoadaoro ao Santiago Morona izay tafiditra amin'ny tetikasa " Shuar, Achuar, Kichwa: Ny tantaranay, ny fiteninay ao amin'ny Aterineto" tamin'ny 21-22 Novambra 2014 ny atrikasa fampiofanana faharoa momba ny fananganana tranonkala ho an'ny radiom-paritra ao amin'ny faritra atsimo-afovoan'i Amazôna ao Ekoadaoro.

Blaogy tantaran'i Mokattam

  17 Jona 2019

Tamin'ny taona 1992, nisy horohoron-tany mahery vaika namely ny tanànan'i Kairo, ka 370 no namoy ny ainy, betsaka ny maratra, ary mbola marobe ihany koa no nafindra toerana. Mponina an'arivony no nalaina sy nanomboka nipetraka tamin'ny faritra iray ao amin'ny manodidina an'i Masaken Alzelzal - Alhadba Alwosta eo akaikin'ny tendrombohitra Mokattam malaza.

Sakaizan'i Januária

  14 Jona 2019

Vao avy nisedra fahasahiranana tamin'ny fiadidiana (governemanta) tao an-toerana ny tanàna kely any Januária, avaratry ny fanjakana Breziliana ao Minas Gerais. Nifandimbiasana ben'ny tanàna miisa fito ity tanàna ity nandritra ny enina taona. Betsaka amin'ireo ben'ny tanàna ireo anefa no voaisotra tamin'ny asany noho ny fanitsakitsahan-dalàna,