Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Janoary, 2014
20 Taonan'ny Fananganana Indray Taorian'ny Vanim-Potoana Sovietika : Tranomboky any Kazakhstan
Tamin'ny fianjeran'i Firaisana Sovietika,ao amin'ny firenena niankina taminy taloha no nahazo fahaleovantena fa nidina ihany koa ny fari-piainana - ary antin'izany ny fikatonan'ny sampan-draharaham-panjakana. Ao Kazakhstan, miasa hametraka indray ny programan'ny tranomboky (manerana ny firenena) indray ny Tranomboky Pushkin.
“Vaovao Avy Eny An-doharano”: Famerenana Mamoaka Ny Rising Voices Ao Amin'ny Oximity
Nanatevina laharana ny fiaraha-miasan'ny Global Voices amin'ilay tranonkalam-baovao Oximity, mpampita vaovao, ny Rising Voices, ny Oximity izay manangona mivantana ny vaovao avy eny an-doharano, manamora ny ny fanangonana, famoahana ary fizaràna vaovao ataon'ireo mpamaky, sy fanapariahana ny votoatim-baovao amin'ny aterineto
Saharawi Voice: Tantara Avy Amin'ny Zanatany Farany Afrikana
Ny Saharawi Voice na Feo Saharawi dia bilaogy, tranokalam-baovao sy sehatra fanehoan-dahatsary mampiseho ireo fijoroana vavolombelona mivantana (tsy misympanelanelana) avy amin'ireo olona monina ao amin'ireo tobim-pialokalofana Sahawari ao Afrika Avaratra.
Podcaster (Mpandray Feo) Asongadina: Karma Dupchu
Mampafantatra mpandray feo (podcaster) iray avy amin'ny tetikasa nahazo vatsy avy aminy ny Rising Voices. Nizara ny tantarany sy ny zava-niainany nahatonga azy ho liana tamin'ny fandraisam-peo ny tantara i Karma Dupchu ary hampiasa manontolo ny zavatra azony tamin'ny atrikasa.
LAHATSARY: Fitantarana Avy Ao Amin'ny Foibe Ara-Tantaran’ Porto Naranty Tao Amin'ny “Museu do Resgate”
Niresaka tamin'ilay mpanorina ny Mozea do Resgate momba ny tetikasa "fanavotana" lahatsary an-tserasera izahay izay mamondrona sy manome fijery vaovao ireo fijoroana vavolombelona sy zava-niainan'ny olona manokana izay nandalo tao amin'ny foiben-tantaran'i Porto.
Songadina #4: 20 Desambra – 10 Janoary
Finaritra 2014! Fanombohana ny taona vaovao amin'ny alalan'ny hevitra sy zavatra azo araraotina vitsivitsy...
Diferencial CAC: Hacklab Ao Quito, Ekoatera
Sehatra hoan'ireo tetikasa momba ny zavakanto sy ny kolontsaina nomerika ny Diferencial CAC, sehatry ny mpijirik, fiaraha-miasa, ary fampitana ireo karazan-kevitra hiaraha-miasa sy teknolojika izay hampiantranoin'ny Foiben'ny Zavakanto Ankehitriny ao Quito. Lahatsary sy resadresaka miaraka amin'ny mpanangana izany.
Misokatra Ny Fifantenana Ireo Hifaninana Amin'ny (Bloggies Award)
Misokatra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana Weblog 2014!
Mampiasa Ny Atidoha Ankavia Hampianatra Ny Ankavanana: FandaminanAsa Informatika Araka Ny Hita
Fitenin-daminasa natao ho ampiasain'ireo mpampianatra sy tanora ny Scratch hanangana amin'ny alalan'ny birikin'ny fandaminanasa informatika. Fitenin-daminasa (Langage de programmation) mifototra amin'ny endrika biriky vonona amin'ny fiteny 40 izy ity.
Lazao Hoe Inona?! Habaka Manangona Resa-Pankahalàna Hisorohana Fandripaham-Bahoaka
Ny Hatebase dia fanangonana sy fandaminan'olona maro ireo karazan-dresaka fankahalana avahana araka ny toerana, karazany, fiteny ary ny fotoana nampiasana azy farany [nametrahana fanamarihana taminy], mba hamantarana izay fifanenjanana mitranga any amin'ny vondrona any... iray amin'ny famantarana izay fandripaham-bahoaka hoavy.