Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Oktobra, 2011

Ségou Villages: Ny Fahendren'ireo Ohabolana Bambara

  31 Oktobra 2011

Ny ohabolana dia andian-teny fohy avy amin'ny fahendrena eo amin'ny fiarahamonina. Any Mali, maro amin'ireny fomba fiteny ireny no hita amin'ny teny Bambara, izay teny mbe mapahazo indrindra ao amin'ny firenena, indrindra fa any amin'ny faritr'i Ségou. Eto no idiran'ny tetikasan'ny Rising Voices , Ségou Villages Connection mampianatra ny mponina ambanivohitra mba hampiasa ny aterineto hizaran'izy ireo ny tantarany. Na izany aza, hita ihany koa ireny ohabolana ireny any anaty resadresaka amin'ny bilaogy samihafa sy ny twitter any.

Teny: Podcast Iray Avy Amin'Ireo Tompondaka Ao Warlpiri

  28 Oktobra 2011

Ny Tompondaka ao Lajumanu dia kilasy misy ireo mpianatra madinika ao amin'ny Faritra Avaratr'i Aostralia. Miaraka amin'ny mpampianatra azy ireo, Adrian Trost, dia mamokatra podcast isam-bolana ireo mpianatra, izay ahitàna fanandratana ny teny Warlpiri fampiasan'ireo vahoaka teratany tena hiringiriny antsoina hoe Aborigene.

HiperBarrio: Fanaovana Sarintany Avy Amin'ny Alalan'ny Balaonina Ny Manodidina An'i La Loma

  26 Oktobra 2011

Olona notohanan'ny Rising Voices fahiny tamin'ny HiperBarrio any Medellín, Kolombia no manohy ny fandraisan'anjarany amin'ny asan'ny media mirotsaka an-tsehatra ao amin'ny manodidina an'i La Loma. Ho fanabeazam-boho ny asa vitan'izy ireo tany aloha nandrakitra an-tsarintany ny vondrom-piarahamoniny niaraka tamin'ny Open Street Maps, ny tariky ny ConVerGentes dia nanapa-kevitra ny hitrandraka ny tontolon'ny fanaovana sarintany avy amin'ny alalan'ny balaonina.

Fihaonan'ny Jamba: Ny Goalball Sy Ny Fikarakarana Zaridaina

  21 Oktobra 2011

Toy ny ahoana ny fiainana ho an'ny fianakaviamben'ireo jamba any Thessaloniki, Gresy? Ireo bilaogera vaovao avy amin'ny tetikasa Blind Dates dia nanoratra lahatsoratra mikasika ny laàlam-baovao entin'ny teknolojia hanampiana azy ireo, hatramin'ny fomba andanian-dry zareo ny fotoam-pialamboliny, toy ny fikarakarana zaridaina na fanaovana fanatanjahan-tena toy ny goalball.

Teny: Phil Cash Cash Sy Ny Teny Nez Perce

  16 Oktobra 2011

Phil Cash Cash dia mpandalina momba ny teny ary mpikambana amin'ireo Fokon-janatany Weyiiletpu (Cayuse) sy ny Nuumiipuu (Nez Perce) ao Amerika Avaratra. Izy koa dia liana manokana amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny web 2.0 ho fihazonana ny teny sy ny famerenana indray ny teny Nez Perce, izay tombanany fa eo amin'ny 20-25 amin'ireo mpiteny mahafehy tsara azy sisa no tavela.

Okraina: Bilaogera Maneho Hevitra Momba Ny Fitànana Mafàna Fo Iray

  09 Oktobra 2011

Tany amin'ny tapaky ny volana Aogositra tany, Nampikorontan-tsaina ireo bilaogera Okrainiana ny nisamborana an'i Irina Teplinskaya, ilay Rosiana mafàna fo amin'ny fampihenàna ny fiantraikan'ny zavamahadomelina, nampangaina ho mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina rehefa niverina avy nanaraka fitsaboana tany Okraina. Toa efa nafahana tany am-ponja i Irina ary nesorina daholo ireo vesatra rehatra nitànana azy.