Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Febroary, 2014

Los Inestables: Jery todika Ny Lasa, Miroso Ho Amin'ny 2014

Nanatontosa lanonana farany taona tao an-tanànan'i Córdoba, ao Arzantina ny tetikasa nahazo vatsy 2013 tamin'ny Rsing Voices, ka nanatontosa fandraketam-peo ny sasany tamin'ireo mpandray anjara ary nizara izay fahaizana noratovin'izy ireo nandritra ny taon-dasa sy ny fanantenan'izy ireo amin'ny taona hoavy.

28 Febroary 2014

Mbola Tsy Nisoratra Anarana? Ampidiro Ny Bilaoginao Amin'ilay Fifaninanana BilaogyTsara Indrindra (Bobs)

Misokatra indray hoan'ireo bilaogera manoratra amin'ny teny efatra ambinifolo isan-karazany sy sokajy marobe ny fifaninanana fanao isan-taona karakarain'ny Deutsche Welle. Ny fifaninanana - Best of Online Activism (Fikatrohana Antserasera Tsara Indrindra) - dia mikendry hampiroborobo ny fahalalaham-pitenena sy ny fanajana ny zon'Olombelona ao amin'ny Aterineto sy manerana izao tontolo izao.

28 Febroary 2014

[StoryMaker] Vesna Dolinšek Sy Lam Echaml Ao Tonizia

Nandritra ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tamin'ny volana janoary tao Amman, Jordania, nifampireaka tamin'i Vesna Dolinšek avy ao Tonizia izahay, iray amin'ireo mpandrindra ao an-toerana momba ny tetikasa, ary nifampizara ny traikefany momba ny fihaonany tamin'ireo mpandrindra hafa avy amin'ny firenen-kafa

21 Febroary 2014

[StoryMaker] Emad Shenouda Sy i Al Sawt al Hurr Ao Egypt

Tao amin'ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tao Amman, Jordania tamin'ny volana Janoary teo, niresaka tamin'i Emad Shenouda avy ao Ejypta izahay, iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa ao amin'ny faritra, izay nizara ny traikefany tamin'ny fanazarana StoryMaker tao Ejypta.

19 Febroary 2014