Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jona, 2014
Vohitra Vaovao Ho An'i Yadua
Nahitàna fahatarany ny tetikasa Tukuni Yadua vatsian'ny RV Noho ny tetikasa fanamboarana goavana ny vohitra noho ny Rivodoza Evan, dia nahantona avokoa ireo tetikasa rehetra mandra-pahavitan'ilay vohitra vaovao. Ankehitriny miaraka amin'ny fanokanana io vohitra vaovao io, hitohy ny tetikasan'ny mediam-bahoaka natao hiaraha-miasa amin'ireo tanoran'ny nosy mba hitahirizana ireo ezaka fiarovana.
Palestina: Mametraka Amin'ny Alalan'ny Sary Ny Andavanandrom-Piainana
Sarotra ny zava-misy amin'ny andavan'androm-piainan'ireo Palestiniana - sarotra hoan'ny vahiny ny mahatakatra. Saingy miady amin'izany amin'ny alalan'ny fampielezana ny teny ny Visualizing Palestine (Mampibaribary an'i Palestina), manangana famoronana hita maso mamariparitra ny zavamisy marina ao Palestina sy Israely.
Nivoaka Ho Any Burkina Faso! An-Dalana Ho any Ouagadougou Ny Ekipan'i OpenStreetMaps Nizera
Manohy ny asany ireo nahazo vatsy kely avy amin'ny Rising Voices tamin'ny 2013, mivezivezy any amin'ny faritra misy azy mihaona amin'ny ekipan'ny OpenStreetMap ary manovo fahaizana vaovao.
Manampy Ireo Bangaldeshita Mpianatra Hamaky Teny Amin'ny Tendron-dRantsa-Tanana Ny Crowdsourcing
Tetikasa vaovao mampiasa Unicode sy teknika crowdsourcing ny Banglabraille mba hamoronana boky fianarana hoan'ireo mpianatra sembana ara-pahitana an'aliny ao Bangladesh.
Olom-pirenena Zokinjokiny Manoratra Wikipedia
Mandrava ireo sakantsakana hidirana amin'ny teknolojia no dingana voalohany hampidirana an-tsehatra ireo mpikambana be traikefa indrindra ao amin'ny fiarahamonina: ireo zokiolona. Izany indrindra no ezahan'ny tetikasa Wikimédia Tszeky "Olompirenena Zokiolona Manoratra Wikipedia" atao.
Nitondra Fifaliana Ny Fandaharana Amin'ny Onjam-peo Momba Ny Fahasalaman'ny Saina
Mampiasa ny herin'ny teny ho fitaovam-piadiana hampielezana fifaliana sy handraisan'ireo marary avy ao amin'ny Hopitalim-paritany mitsabo ny aretin-kozatra aman-tsaina ao an-tanànan'i Córdoba, ao Arzantina ny Radio Los Inestables, tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices tamin'ny taona 2013.
Loharanom-Baovao 10 Ilain'ireo Mpikatroka Miteny Arabo
A list of key Arabic-language resources for digital media activists.