Chariboan Joi

Nueva Betania, Yarinacocha, Però – Nanatevin-daharana ny Rising Voices tamin'ny taona 2014

OjiruPucallpa

Ny Fetiben'ny filazana tantara nomanina ho an'ny vondrom-piarahamonina Nueva Betania any ambanivohitr'i Yarinacocha ao Ucayali, Però no ho fanombohana ity tetikasa ity. Miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny Arkana Alliance, mitrandraka ny fomba fampiasana finday mba hitantarana ny hetsika sy hanampy amin'ny fandraketana ireo angano sy tantara zarain'ireo mpanakanto eo an-toerana amin'ny fitenin-drazana Shipibo sy nadika tamin'ny fiteny hafa ireo mpitati-vaovao nofanina vao haingana avy ao amin'ny Fikambanan'ny Tanora Tompotany ao amin'ny Faritra Ucayali (OJIRU).

Nanomboka teo, mamorona tantara nomerika momba ny fiarahamonin'izy ireo mifantoka amin'ny fiarovana ny fomban-drazana ara-kolontsaina sy ny fiteny ireo olon-tsotra mpitati-baovao, ary mandinika ny fiantraikan'ny fikatrohana be ao amin'ny tontolo iainana manodidina. Amin'ny fananganana fiarahamiasa amin'ny radio eo an-toerana sy mampiasa teknika fanapariahana hafa, toy ny fanamafisam-peo eny amin'ny sehatra ankalamanjana, dia afaka hipaka any amin'ireo tsy manana aterineto ireo olon-tsotra mpitati-baovao.

Jereo amin'ny tranonkala izy ireo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.