Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Avrily, 2018
Zon'ny Voan'ny SIDA ao Kongo: Mandrakitra ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ireo olona voan'ny VIH/SIDA
Noho ny fanampian'ny fikambanana nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices, nampiofana ireo tompon'andraikitry ny serasera eo amin'ireo fikambanana isan-karazany misahana ny SIDA ao Kongo amin'ny alalan'ny filazana tantara, fandraketam-peo sy fananganana bilaogy ny AZUR Development.
Valan'aretina raboka ao Okraina: An'iza ny fahadisoana?
Nampitaitra amin'ny fisian'ny valan'aretina raboka (TB) ao Okraina ny Tahirimbola Okrainiana misahana ny olona miankindoha amin'ny rongony "Drop-In Center". Vao haingana ny tranonkalany Motylek no namoaka lahatsoratra maromaro manoritsoritra ny haben'ny olana, sy ny olana atrehan'i Okraina amin'ny ady amin'ity aretina ity.
Nibilaogy hatry ny fahakeliny: mampihena ny hantsana nomerika ao Orogoay
Mandalo dingana ara-tantara i Orogoay. Amin'ny taona 2009, hanana solosaina finday azy ireo manokana (OLPC) omen'ny fanjakana ny ankizy sy ny mpampianatra rehetra eny amin'ny sekoly ambaratonga voalohany sy sekolim-panjakana ao amin'ny firenena.
Mibilaogy ny nofy: Paikady sy fanamby
Natomboky ny Fikambanana Orizonturi (Fikambanana Fara-vodilanitra amin'ny teny gasy) tamin'ny fararano lasa teo ny tetikasa, izay vatsian'ny Rising Voices ara-bola. Manampy ny olona manana olana ara-tsaina ny fikambanana, izay manana ny foibeny ao Câmpulung Moldovenesc, Romania efa ho 15 taona izay.
FOKO: Manao zavatra betsaka ho an'ny fiarahamonina
Na dia maro tamin'ireo mpikambana ao amin'ny FOKO aza no nanomboka nianatra tany amin'ny Oniversite, feno hetsika ny volana Aprily ho an'ny Klioba Bilaogy FOKO. Joan Razafimaharo mamintina ny sasany amin'ireo hetsiky ny vondrom-piarahamonina izay andraisan'ireo bilaogeran'ny FOKO anjara.
Mamaky fady: Rehefa ny vehivavy iharan'ny fanorisorenana no mahazo tsiny
Olana lehibe ao Ejypta ny fanorisorenana ara-nofo izay ny 83% amin'ireo vehivavy no nitatitra fa efa niharan'ny fanorisorenana ara-nofo. Nanoratra momba izany zava-misy izany ny bilaogera iray avy ao amin'ny tetikasa Miresaka ny Fady.
Mandehandeha manan-tanjona
Raha nanontanian'ny mpihaino tao amin'ny Fihaonamben'ny Global Voices tao Budapest, Hongaria hoe "ahoana no ahafahanay manampy?", nilaza i Mialy Andriamananjara ao amin'ny tetikasa FOKO Madagascar fa fahaizana fa tsy vola no tena ilain'ny tetikasa.
Manampy ny onjam-peon'ny vondrom-piarahamonina ao Meksika mba ho tsara fiomanana kokoa amin'ny vonjitaitra
Torolalana vaovao natao hanampiana ny vondrom-piarahamonina sy ny median'ny tompotany ao Meksika mba hanomanana tsara kokoa ny vonjitaitra.
We Matter: Fanentanana amin'ny aterineto mizara fanantenana sy fitsaboana miaraka amin'ny tanora tompotany
Ny 'We Matter' dia fanentanana antserasera ao Kanada izay manasa ny tanora tompotany sy ny mpiara-dia aminy mba handefa lahatsary fohy ao amin'ny tranonkalan'izy ireo.
Manoka-baravarana hoan'ny feo isankarazany ny loka literatiora Taiwan ho an'ny mpifindra monina
Hatramin'ny taona 2014, nanome sehatra ho an'ireo olona teraka ivelan'i Taiwan hizaràn-dry zareo ny tantarany ny fifaninanana literatiora.