Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Novambra, 2019
[Fitaovana] Fiteny Indizeny: Zero to Digital – Taridalana mitondra ny fiteninao ho antserasera
Namoaka fitaovana vaovao "Fiteny Indizeny: Zero to Digital: Taridalana mitondra ny teninao ho antserasera” ny Translation Commons mba hamaritra ny dingana hahatonga ny fiteny ho hita ao amin'ny solosaina sy ny fitaovana finday.
Iza moa i Abduweli Ayup, mampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 26 nov – 2 Des 2019
Vakio ity fanontaniana sy valiny nifanaovana tamin'i Abduweli Ayup, mampiantano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny herinandron'ny 26 novambra - 2 Desambra 2019 ity. Hozarainy amintsika ny ezaka ataony hikolokoloana ny fiteny Uyghur.
Taratasim-pifandraisana RV: Mizara loharanon-kolontsaina sy teknolojia maimaimpoana ho an'ireo vondrompiarahamonina ny Milpa Digital
Hita anatin'ity taratasim-pifandraisana Rising Voices faha #13 ity ireo rohy mankany amin'ireo hetsika maro mila hararaotina mifandraika amin'ny fampidirana ara-niomerika izay ahitàna ny fidirana amin'ireo fitaovana niomerika sy ny fampiasàna azy, sy ireo fomba samy hafa ahafahan'ireo vondrompiarahamonina maro mandray anjara tanteraka anaty aterineto .
Ny tantara ao ambadiky ny “El árbol del amor,” horonan-tsarimiaina fanadihadiana avy amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny Nasa any Kolombia
Ity horonan-tsarimiaina ity dia tantara natsangana avy tamin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo ankizy mpiady tranainy sy tanora sisa velona tamin'ilay fifandonana teo amin'ny indizeny Naza any amin'ny valan-javaboaharin'i Cauca any Kolombia.
Fantaro i Ramzy Muliawan, mpampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 12 – 18 Nov 2019
Vakio ity fanontaniana sy valiny niarahana tamin'i Mulihay Talus, mpampiatrano ny kaonty twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny herinadro 12 - 18 Nov 2019. Hozarainy amintsika ireo ezaka ataony amin'ny fiarovana sy fametrahana ho amin'ny endrika dizitaly ny fiteny Minangkabau.
Manafaka anay ny fiteny Quichua

"Fiteny efa niara-nipetraka tamiko ny teny Quicha ho ahy, saingy tsy tena fantatro."
Mozeantsaina: Nahoana isika no tokony hikajy ireo fiteny tandindonin-doza

Ny fampatezàna fiteny tandindonin-doza dia mampiditra ny fanovana ny fomba ijerena ireo mpiteny ireo fiteny ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy, ny fomba hanomezana endrika ny fiteny ao amin'ny fampitam-baovao ao an-toerana sy mahasahana ny firenena, ary ny fomba hanomezan'ny governemanta lanja azy.
Fantaro i Tuhi Martukaw (Jocelyn Ting-Hui Hung Chien), hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 5 ka hatramin'ny 11 Novambra 2019
Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Tuhi Martukaw (Jocelyn Ting-Hui Hung Chien), ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 5 ka hatramin'ny 11 Novambra 2019. Hiresaka momba ny fiteny Pinuyumayan izy.