Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jona, 2013
“Ianao No Firenena!”
Tsy endrika fahita matetika ho mpikambana mamokatra ao anatin'ny fiarahamonina ireo vitsika, vorona, ary lambo 3D... nefa, maninona moa? Mampiasa horonantsary fohy mampiala voly ny Hetsi-panentanana Wazi hanandratana fiarahamonina sivily mitambatra ao Kenya.
[Lahatsary] Ny Fomba Fampiasana Ny Rindrambaiko StoryMaker
namoaka lahatsary Youtube mampiseho torolàlana maneho miandalana ny fomba fampiasàna ny rindrambaiko StoryMaker ny Small World News, , izay fitaovana natao ho an'ireo mpanao gazety hamoronany ireo tatitrany manokana mikasika ny vaovao amin'ny alalan'ny fampiasana ny finday Android, amin'ny fomba azo antoka sy voaaro tanteraka.
Radioteca – Fampiantranoana Rakipeo Maimaim-poana Sy Mivelatra
Nanokatra ny varavarany ho an'ny rehetra ny vohikala firaketam-peo Radioteca ary mitàna ny mampiavaka azy ihany koa amin'ny fanamoràna ny fitsanganana vondrom-piarahamonina amin'ireo foto-kevitry ny fifampizaràna sy ny fifanakalozana fahaizana ary fahalalana..
Ny Fomba Fandrakofana Fifidianana Miaraka Amin'ny Media Sosialy… Tsy Misy Aterineto
Mampandeha hetsi-panentanana mikasika ny media sosialy, mandrakotra fifidianana any amin'ny toerana manana aterineto voafetra? Nahavita izany nandritra ny herintaona ny Ghana Decides, namolavola paikady vaovao ho amin'ny tombontsoany.