Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Septambra, 2013

Lasa Mpaka Sary Anaty Vondrom-piarahamonina: Varavarankely Iray Ahitàna Ny “Tena India”

"Storytelling Through Photography" - Fitantaràna amin'ny alàlan'ny Sary dia atrikasa fampianarana maka sary fanadihadiana natao ho an'ireo mpikatroka mafàna fo-mpanadihady avy eny anaty vondrom-piarahamonina, maneho ny fiainana andavanandro sy ny fahasahiranana any ambanivohitr'i India, tetikasa iarahan'ny Video Volunteers sy ny Magnum Foundation.

23 Septambra 2013

Fanofanana Voalohany Miaraka Amin'ny Ekipan'Onjam-peon'ny Dizha Kieru

Tanana iray manana ny tambajotrana findainy manokana : Dizha Kieru, iray amin'ireo nahazo famatsiam-bola madinika amin'ity taona ity, dia nanao fanofanana momba ny fampiasana tsara kokoa an'ity teknolojia vaovao ity, rafitra fandefasana simaiso izay manome fahafahana an'ireo mpikambana anatina tobin'onjam-peo handefa hafatra an-tsoratra maimaim-poana mivantana any amin'ny findain'ireo mponina any amin'ny vohitra.

20 Septambra 2013