Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Mey, 2014
Fianarana Mandritra Ny Fialantsasatry ny Fahavaratra: Hoavy Ny MOOCs
Lisitr'ireo fampianarana MOOCs (efa nanomboka vao haingana) sy mbola hoavy - fampianarana misokatra hoan'ny rehetra ao amin'ny aterineto mikasika ny teknolojia vaovao, ny famoronana sy ny fampitam-baovao an'olo-tsotra mandritra ny fialan-tsasatry ny fahavaratra.
Zon'ny Mpamorona Creative Commons 101 : Mampiasa Izany Araka Ny Tokony Ho Izy Ve Ianao?
Mampiasa ny sary Creative Commons avy aminao araka ny tokony izy ve ianao? Sary Creative Commons maherin'ny 90% no mbola tsy manan-tompo mihitsy! Indro ny fanazavana an-tsary mba mahatonga anao haharaka ny vanim-potoana.
“Quand le village se réveille”: Bilaogin-Kolontsaina Maliana Vaovao
"Quand le village se réveille": Tetikasa vaovao hanangonana sy hizarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao nentim-paharazana ao ambanivohitry Mali, ary mba hampielezana ny fidirana aterineto eny amin'ny faritra ambanivohitra ihany koa.
Fampitovian-danja Ny Hafainganana Sy Ny Fahamarinam-Baovao Hisorohana Ny Vaovao Diso Ao Amin'ny Media Sosialy
Ny Checkdesk dia tetikasa fanamarinam-baovao avy ao amin'ny media sosialy. Miara-miasa amin'ireo firenena manerantany miteny Arabo, manampy ireo trano fanoratan-gazety hanamarina ny tatitrany amin'ny alalan'ny fanamarinana ifarimbonan'ny besinimaro ity habaka fikarohana loharanom-baovao misokatra hoan'ny rehetra ity.
India: Mandrakitra An-tsarintany Ny Herisetra An-dalambe sy Mampiroborobo Tanàna Milamina
Ny Safecity dia tolotra fandraketana an-tsarintany ny herisetra sy ny fanararaotana eny imasom-bahoaka ao India, ahafahan'ireo mpiserasera mitatitra (tsy mitonona anarana) ny zava-misy ao anatin'ny 2 minitra.
Fampianarana Amin'ny Aterineto: Fitaovana Nomerika Hanatsarana Ny Onjam-peon'ny Fiarahamonina
Zohio ny Radio Libres raha te hahazo fampianarana antserasera maimaipoana natokana hoan'ireo onjam-peom-piarahamonina liana amin'ny fampiasana fitaovana nomerika hizarana votoaty sy hifandray tsaratsara kokoa amin'ireo mpihainony. Amin'ny teny Espaniola no hanaovana ny fampianarana.
Ny Fahasamihafan'ny Sora-Baventin'ny Fihetsiketsehana Ao Brezila
Amin'ny alalan'ny sora-baventy, hiaka ary afisy no ahafahan'ny tsirairay mahafantatra ny fitakiana,ny tsikera ary ny tolona ao amin'ireo karazam-pihetsiketsehana. Mizara ny sary sy ny afisin'ny fihetsiketsehana nanerana ny firenena tao Brezila, araka izay navoakan'ny media sosialy, nandritra ny taona 2013 ny blaogy Tumblr Cartazes dos Protestos.
Mamaky, Manoratra, Manangana, Ary Mifandray Amin'ny Boatin-kevitra
Ny tetikasa vaovao antsoina hoe Ideas Box (Boatin-kevitra) dia mikasa hanentana ireo mpitsoam-ponenana amin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo fitaovana ilaina, votoaty sy loharano mba ho «vakiana, hanoratana, hananganana sy hifandraisana."
Arahaba Tratry Ny Fetin'ny Reny, Amin'ny Fiteny Mixe!
Maniry hiarahaba ny reny rehetra erantany amin'ny fiteny Mixe, fampiasan'ireo tompontany ao Oaxaca manambara ny hoe Arahaba Traty Ny Fetin'ny Reny ilay Meksikana Silvana Ávila, artista mpanao zavatra ho an'ny maso.