Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Marsa, 2015
Tetikasa Lahatsary Mampahafantatra Ny Fiainana Sy Ireo Ady Atrehan'ireo “Papous” Tandrefana
"Ireo tantara ankoatra ny fifandirana: ady ho an'ny fampianarana, fiarahamonina, fitoviana, ary fahamendrehana."
Manome Feo sy Fanantenana ho an'ireo ‘Niharam-Boinan'ny Rivodoza Haiyan Nohadinoina’ ao Philippines
"Ny firaisankina dia avana manome aingam-panahy ny olona handresy ny voina izay mandrahona ny fiainan'izy ireo."
Ireo Fanambin'ny Fiainana Any Ambanivohitra Atao Tahirinkevitra
Mizara ireo tantaran'ny mpiasan'ny fanenoman-damba, mpianatra any amin'ny sekoly ambanivohitra sy ny fanadiovana renirano ao Phnom Penh ny tetikasa Cloghers (Bilaogera vehivavy) avy ao Kambodza, tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Mai Ro: Hihira Ny Hiran'i Yadiko
Voatahiry ao anaty raki-kira noraketin'i Fernando Urbina Rangel, mpikaroka sady mpampianatra ny feon'ny rain'i Ever Kuiru. Amin'ity tetikasa nahazo vatsy amin'ny Rising Voices ity, mizara ny sasany amin'ireo hira narakitra antserasera izy.
Tafaverina An-tanindrazana: Fandinihana Ny Foko Yadiko Sy Ny Jitómagaro
Amin'ny fandinihana ny fiarahamoniny, Mizara ny traikefany i Ever Kuiru rehefa tafaverina indray ao an-tanindrazany rehefa tsy tao nandritra ny fotoana ela, hatomboka amin'ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices izany.
Mikarakara Atrikasa Momba Ny Asa Fanaovan-gazety Hoan'ny Tanora Shipibo i Chariboan Joi
Nikarakara atrikasa momba ny asa fanaovan-gazety nomerika hoan'ireo tanora voafantina tamin'ireo fiarahamonina Amazoniana isan-karazany ny Chariboan Joi tamin'ny 9 hatramin'ny 20 Febroary 2015.
Clogher Corner Manandratra Ny Feo Kambojiana Vaovao
Avy ao Phnom Penh, Kambodja, namarana ny lanonana tamin'ny fankasitrahana ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana bilaogy ny Tetikasa Empowering Cloghers.
Eikofɨ: Eo An-trotroan'Ineny Tany
"Mpiambina ny loharanon-karena voajanahary izahay", hoy ilay olo-kendry Juan Kuiru tamin'ny tetikasa Yadiko Urukli avy ao Amazonia Kolombiana nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices