Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Oktobra, 2019

Minya: Manana tantara maro hafa ireo mpandray anjara amin'ny atrikasa

  21 Oktobra 2019

Tantaran-tsedra no mipoitra anatin'ilay tetikasa Women of Minya Day by Day, saingy teo koa ny faharetana nandresena ireo fanamby ireo. Manome fahafahana ireo vehivavy haneho ny heviny momba ireo olana mahakasika ny tenany ireo atrikasa omen'ny New Woman Foundation, indrindra momba ireo lohahevitra mikasika ny fahasalamana sy ny zony ara-dalàna.

Minya: Feon'ambanivohitra maro hafa avy ao Dawadeyya

  21 Oktobra 2019

Amin'ny maha isan'ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices ny Women of Minya Day by Day, manohy mizara ny heviny momba ireo fiovàna farany niseho tao amin'ny fiarahamonina Egyptiana ireo vehivavy monina ao ambanivohitr'i Dawadeyya (Minya, Egypta), no sady manoratra momba ny fiainany manokana any an-tranony.

Bilaogera Asongadina: Ahmed Awadalla

  15 Oktobra 2019

Iray amin'ireo nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ny tetikasa “Exploring Taboos (Firesahana ny Fady)” nokarakarain'ny ekipa Nazra tao Kairo. Ny tanjon'ny tetikasa dia ny hanome toerana azo antoka ho an'ny vehivavy sy ny lehilahy ao Ejypta mba hiresaka momba ny olana tsy firesaka firy.