Ceasefire Liberia


Jereo amin'ny sarintany lehibe kokoa ny Ceasefire Liberia

Fampidirana:

liberian bloggerEo andrefan'i Côte d'Ivoire ihany no misy an'i Liberia, izay manana mponina eo amin'ny 3,5 tapitrisa eo ho eo. Nonenan'ireo andevo afaka avy any Etazonia tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19, tafiditra tao anatin'ny ady an-trano sy korontana naharitra 14 taona i Liberia izay nifarana tamin'ny faran'ny taona 2003 tamin'ny fahatongavan'ny CEDEAO sy ny Firenena Mikambana. Ankehitriny i Liberia dia miverina tsikelikely amin'ny laoniny na eo aza ny fotodrafitrasa tsy ampy, ny tsy fananana asa eo amin'ny 80% eo ho eo, ary ireo mpiady taloha (maro amin'izy ireo no tsy ampy taona) izay tsy maintsy hampidirina indray ao anatin'ny fiarahamonina. Maro amin'ireo Liberiana tsy an'asa no nametraka ny fanantenany amin'ny namana sy havana monina any ivelany any Etazonia. Na dia izany aza, matetika misy ny tsy fahampian'ny fifandraisana sy ny tsy fifankahazoana eo amin'ny Liberiana ao anatiny sy ireo mipetraka any am-pielezana. Amin'ny alalan'ny fiarahamiasa amin'ny African Refuge – foibe firotsahana ho an'ny tanora Afrikana Tandrefana – sy ny Century Dance Complex ao amin'ny Park Hill, Nosy Staten  (vondrom-piarahamonina Liberiana lehibe indrindra ivelan'i Afrika), sy ny Amnesty International ao Monrovia, mikasa hampiroborobo ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogy Liberiana transatlantika ilay mpanao gazety mahaleotena Ruthie Ackerman.

Those Liberians who lived through the war — whether soldiers or not — experienced some type of trauma or displacement. By creating a community and sharing experiences with others, it has helped give these youth a purpose and vision that there is something larger than themselves. This will benefit the community (on both sides of the ocean) on many levels: Liberians, many of whom have difficulty adjusting to life in America, can reconnect with their families and dispel myths about what life is like in the U.S. There are also left-over tensions from the war, which may be able to be diffused through the dialogue created between the communities.

Ireo Liberiana izay niaina nandritra ny ady – na miaramila na tsia – dia niaina karazana ratran-tsaina na fifindra-monina. Amin'ny fananganana fiarahamonina sy fizarana traikefa amin'ny hafa, dia nanampy ireo tanora ireo hanana tanjona sy vina fa misy zavatra lehibe kokoa noho ny tenan'izy ireo. Ho tombontsoan'ny vondrom-piarahamonina izany (eo amin'ny andaniny roa amin'ny ranomasimbe) eo amin'ny ambaratonga maro: Afaka mifandray indray amin'ny fianakaviany ireo Liberiana, izay maro amin'izy ireo no manana olana amin'ny fanaraham-bolontany fiainana any Amerika, ary mandrava ny angano momba ny fiainana any Etazonia. Misy ihany koa ny disadisa navelan'ny ady. – izay mety hiparitaka amin'ny alàlan'ny fifanakalozan-dresaka eo amin'ny vondrom-piarahamonina.

Ireo lahatsoratra farany momba ny Ceasefire Liberia

Fampahalalana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.