Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Avrily, 2014
Bilaogy Bus: Kaonferansy Ny Media Mandehandeha Ao Palestina
Ny Bilaogy Bus dia tetikasa natokana hamondronana ireo bilaogera, mpikatroka, olo-tsotra manoratra an-gazety, mpanoratra mba hitatitra ireo karazana olana ao Palestina amin' ny alalan'ny fandehanana amin'ny fiaram-pitaterana.
Wikitongues: Raketo An-tahiry Ny Tenim-pirenenao
Ny Wikitongues dia ezaky ny fiarahamonina mba hahafahan'ny olona manerantany mahafantatra sy mahita ireo tenim-pirenena 7000 manerana izao tontolo izao amin'ny alalan'ny lahatsary sy bilaogy andraisan'ireo olom-pirenena anjara.
Mankafy Wikipedia i Odia
Teny efa ela 2500 taona ny Odia avy ao amin'ny faritra Odisha (fantatra teo aloha amin'ny anarana Orissa). Vao tsy ela ny teny Odia no nahazo ny satan'ny teny klasika Indiana, ka nankalaza izany vao haingana tao Bhubaneswar ireo Wikipediana Odia .
Fitaovana Hoan'ny Lahatsary Fikatrohana : Witness
Mampiasa lahatsary hahatanterahana hetsika ve ianao? Manao fitantarana na maka sarimihetsika fanentanana na hetsika amin'ny kamerà ve ianao ? Nanantotosa ny #GVFace izahay tamin'ny 28 Marsa izay niaraha tamin'ny Witness ary niresahana momba ireo torohevitra amin'ny fomba fampiasana lahatsary hoan'ny fiarovana. Indreto sasany tamin'ireo torohevitra sy fitaovana.