Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Aogositra, 2011

Ginea-Bisao: Nanimba ny Sekoly ilay Oram-be nifanesy

Eo anelanelan'ny volana Jona sy Oktobra no fotoam-pahavaratra any Guinea-Bissau, izay mety hampisy fiantraikany eo amin'ny fiainana andavan'andro amin'io tanàna io. Misy sekoly mampiasa ilay efitrano ho toeram-pivoriana ho an'ny RV grantee Youth Voices of Bandim sy Enterramento izay niharan'ny fahapotehina mavesatra azo tamin'ilay tatitra mahakasika ilay andro ratsy nifanesy.

27 Aogositra 2011

Okraina: Fampianarana Mitoraka Bilaogy Hamelezana Ireo Vondrona Mampietry

Anatina fanadihadiana amin'ny alàlan'ny mailaka, miresaka momba ny traikefany amin'ny fampianarana ny fahaizana misolo vava miaraka amin'ireo vondrona mampihena ny faharatsiana izay ampahany amin'ny Fikambanan'ny teratany Okrainiana rehetra momba ny Fisoloana vava ny Fitsaboana Fanolo (ASTAU) i Anastasia Bezverkha, ary ny tombontsoa azon'ireo vondrona ireo amin'ny fitantarana ny tantarany avy amin'ny fampiasana ireo fitaovan'ny mediam-bahoaka.

11 Aogositra 2011

Miaràha Aminay Amin'ny Adihevitra Momba Ny Finday Amin'ny Mediam-bahoaka

Handray anjara ho isan'ny fifanakalozan-dresaka ao amin'ny aterineto karakarain'ny fikambanana New Tactics in Human Rights (Tetikady vaovao amin'ny Zon'Olombelona). Hifantoka amin'ny "Fampiasàna Finday amin'ny Media Sosialy," izany adihevitra izany ary hampifantoka ny fandraisanay anjara amin'ny asan'ny tetikasa Ségou Villages Connection any Mali izahay.

09 Aogositra 2011

Arzantina: La Flecha Miara-Miasa Amin'ny Tanora Amin'ny Alalan'ny Fampielezam-Baovaon'Olon-tsotra

La Flecha [es] (Ilay Tsilo) dia fikambanana mitoby any an-tanànan'i Buenos Aires (Arzantina) izay miara-miasa amin'ireo tanora any amin'ny sekolim-panjakàna any an-tanàna hampianarana azy ireo ny fomba hamoronany ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra mba hanombohan-dry zareo sy ny hitaizàny ny adihevitra momba ireo olana hita amin'ny fiainanany andavan'andro.

07 Aogositra 2011