Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Septambra, 2017

Fitaovana Teknolojika Natao Hitahirizana Ireo Teny Tandindonin-doza

Ny Ivontoerana ho an'ny fiteny tandindonin-doza, fikambanana iray ao Orégon, ao Etazonia, miasa mba hitady vahaolana mikasika ny fanjavonan'ireo fiteny vitsy an'isa sy ny famafàna ny sivilizasiona miaraka aminy. Mitondra ireo atrikasa siantifika ho fitehirizana ireo fiteny ary miankina amin'ireo teknolojia vaovao. Manao fanangonambola izy ireo mba hahafahana mamatsy fitaovana fandraketana sy fitehirizana, ary ireo fiteny valo ao India, ao Papouasie Nouvelle-Guinée, ao Shili ary ao Perà no kendren'io tetikasa io.

16 Septambra 2017