Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Oktobra, 2010

[Horonantsary] Tafatafa iarahana amin'i Olzod Boum-Yalagch avy ao amin'ny Nomad Green

26 Oktobra 2010

Olzod Boum-Yalagch dia mpanolo-tsaina ofisialin'ny Nomad Green, ilay tetikasa Mongoliana momba fanaovan-gazetin'olon-tsotra, miorina any an-drenivohitra Ulaanbaatar. Ao amin'io horonantsary io, miresaka i Mr. Boum momba ny fanampian'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra amin'ny fampahatsiarovan-tena ny olona, ary mazava ho azy hitondra any amin'ny vahaolana ho an'ny fahasimbàn'ny tontolo iainana any amin'ny firenena.

Nomad Green: Dinika an-databatra boribory rehefa Sabotsy

20 Oktobra 2010

Singa iray niampy tamin'ireo atrikasan'ny andro Sabotsy ireo ny fanatrehan'ny lehiben'ny vondrom-piarahamonina iray teo an-toerana izay nanaiky ny fanasan'ny tetikasa azy mba hiresadresaka sy handray anjara amina latabatra boribory miaraka amin'ireo olon-tsotra mpampita vaovao. Ny vahiny vao haingana tao dia ny Minisitry ny Vola taloha tao Mongolia sy ny Tale mpanatanteraky ny Fikambanam-pirenen'ireo Mongoliana Mpitrandraka Harena ankibon'ny tany.

Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices

  17 Oktobra 2010

Hampiseho ny fahasamihafany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Rising Voices amin'ny fandraisany anjara amin'ny hetsika Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Haka sary ny manodidina azy ny olona mpampita vaovao maneran-tany amin'ny 10 Oktobra 2010 mba hitehirizana ny sary indray mihelatry ny fiainana eto an-tany. Jereo ny sasany amin'ireo mpandray anjaran'ny Rising Voices.

Ireo mpitoraka blaogy ao amin'ny Rising Voices mandray anjara amin'ny Blog Action Day 2010

16 Oktobra 2010

Ny Blog Action Day dia hetsika miseho isan-taona izay hiarahan'ireo mpitoraka bilaogy eran-tany manoratra mikasika ny olana iray ao anatin'ny andro iray. Ny tanjona dia ny hananganana ny fitandremana sy ny hanaovana adi-hevitra eran-tany mikasika ny olana goavana iray izay miatraika amintsika rehetra. Ny lohahevitra amin'ity taona ity dia ny 'rano'. Nandray anjara tamin'ity hetsika ity ihany koa ireo mpandray anjara/mpanamora sasany ao amin'ireo fikambanan'ny Rising Voices.