Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Avrily, 2011

Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy

  28 Avrily 2011

Taorian'ny fampianarana momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, mino ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary ny fitorahana bilaogy, sady fitaovana hanoratan'izy ireo momba ny fanantenany manokana sy ny nofinofiny.

Ny boky fitarihana “Mibilaogy amin'ny lafiny tsara (Bloguer positivement)” amin'ny teny swahili

  23 Avrily 2011

Faly mampilaza ny Rising Voices fa ny boky fitarihana azy ireo ” Mibilaogy amin'ny lafiny tsara (Bloguer positivement)” dia efa misy amin'ny fiteny swahili noho ny fandikan-teny nataon'i Collins Oduor, izay anisan'ireo mpikambana ao amin'ny tetikasanay Rising Voices, Repacted, mifototra ao Nakuru, ao Kenya, miaraka amin'ny fanampian'i  Deogratis Simba amin'ny tetikasa Global Voices...

Tetikasa “Exploring Taboos”, diaben'ny vehivavy an-tapitrisa

  23 Avrily 2011

Noraiketin'ireo gazety malaza ary koa ny vaovao an'olo-tsotra an-tantara ireo zava-niseho nandritra ny revolisiona Ejyptiana, ka nitodika tany amin'ny fampandrosoana izay niteraka ny fionganan'i Hosni Moubarak tamin'ny 11 febroary 2011 avokoa ny mason'izao tontolo izao. Niara nifarimbona ireo bilaogera na ireo mpira-miasa isan-karazany tamin'ny tetikasa Rising Voices tao Ejypta mba hilazalaza...