Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Febroary, 2013
Mianatra Ny Ojibwe Miaraka Amin'i Jennifer Bobiwash
"Tsapako fa fotoana iray io, ho ahy, hianarako misimisy kokoa momba ny lovako ahy manokana. Ary raha mijery ny lahatsariko ny hafa ka mianatra, dia efa tombony iray izay. Heveriko amin'ny fomba tsotra hoe ireo lahatsariko izay ety anaty aterineto dia efa vavolombelona iray hiantoka ny fisiany ety anaty aterineto... Ary dia ny fomba hahitan'ny olona azy sisa no resaka, sy ny fankalazàna azy mba hahitàn'ny olona azy" hoy i Jennifer miresaka ny tetikasany hametraka ny Ojibwe mba ho fantatra ety anaty Youtube.
Filazana Ny Fisokafan'ny Fifaninanana Hahazoana Famatsiam-bola Bitika Vaovao An'ny Rising Voices Amin'ity 2013 Ity
Ny Rising Voices dia faly manolotra anao ny sehatra vaovaon'ny fifaninanana famatsiam-bola bitika amin'ity 2013 ity ho an'ireo tetikasa fanentanana ny mediam-bahoaka. Efa afaka mampakatra ny heviny ao amin'ny vohikala ireo mpandray anjara, sy mandray tsikera avy amin'ny vondrom-piarahamonintsika, ho fomba iray hanamafisana ny sosokeviny sy hampifandraisana azy ireo amin'ny hafa. Mifarana ny 1 Martsa 2013 ny fisoratana anarana.
Fampiofanana Hazakazaka Haingana dia Haingana Momba Ny Lahatsary Misokatra
Vao avy namoaka fampianarana haingana momba ny famoronana lahatsary misokatra ny oniversite “tsiroaroa” P2PU (Peer to Peer University) noho ny fangatahan'ireo olona mpikirakira, mpamoaka sy mpampiasa lahatsary. Tao anatin'ny hetsika Forum Open Video, natao...
Famoronana Rakibolana Miteny Ho An'ireo Fiteny Indizena
Ny 7-11 Janoary 2013, mafana fo roa amby folo mpiaro ny Fiteny Indizena avy ao Amerika Latina no nivondrona tao amin'ny trano famakiam-bokin'i Santiago any Shily hizaha ny fomba hahafahan'ireo teknolojia dizitaly mitana anjara toerana goavana eo amin'ny fandraketana sy famelomana ny tenin-drazany, anatin'ny atrikasan'ny "Enduring Voices (Teny Mitoetra)". Ny hetsika voalohany indrindra notanterahina nandritra io atrikasa io dia ny famoronana Rakibolana Miteny, ho fomba izay hampiroboroboana ny tenin'izy ireo.