Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Janoary, 2011
Mandray ny tolotra famatsiam-bola madinika ny Rising Voices ho an'ny tetikasa momba ny fanentanana ny fampiasàna ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra
Rising Voices, ny sehatra fanentanana ao amin'ny Global Voices, dia mandray tolotra tetikasa ho an'ny famatsiam-bola madinika hatramin'ny 4000$ ho an'ireo tetikasa momba ny fanentanana ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra. Fara-fahatarany dia amin'ny 4 Febroary 2011 no andraisana ny fisoratana anarana.
[Video] Sary avy amin'ny Tetikasa Fitrandrahana ny Zava-pady
Ity ny voalohany amin'ny laharana video telo notontosain'ny mpanao sarimihetsika any an-toerana Mahmoud Saber, izay mifantoka amin'ny famatsian'ny Rising Voices any Ejipta. Ity video voalohany ity dia manasongadina ny tetikasa Fitrandrahana ny zava-pady (Taboo) any Caire.