Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Oktobra, 2013

MOOC Marobe

  30 Oktobra 2013

Na aiza na aiza jerintsika dia ohatrany misy filazana hafa momba ny fianarana mahafinaritra ny MOOC. Ity misy fantina vitsivitsy mety tiantsika halaina...

Rakibolana Miteny avy any Micronesia

  28 Oktobra 2013

Ny Jolay 2013, nikarakara atrikasa famelomana ny teny ho an'ireo mafana fo momba ny teny an-dalam-pahaverezana manerana ny Micronesia ny Anjerimanontolon'ny Teny Velona, izay nifantoka tamin'ny fampiasana ny teknolojia sy ny famoronana ireo “Rakibolana Miteny” ho an'ireo teny rehetra nisy mpisolo tena.

Ekoatora: Mamoaka Toro-làlana Maimaim-poana Ho Anà Rindrambaikon'Onjam-peo Ny Radialistas

  28 Oktobra 2013

Vao haingana izay dia namoaka vondronà toro-làlana ao anaty aterineto momba ireo fotokevitra samihafa ny Radialistas ho fanampiana ny vahoaka hampiasa onjam-peo sy rindrambaiko misokatra hanapariahana vaovao mikasika ny vondrom-piarahamonin'izy ireo. Ho ampahany amin'ny vondron-dahatsoratra Conectándonos anay, miresaka momba ilay tetikasa ny mpitantana io vondrom-piarahamonina io, Clara Robayo.

Feo Vaovao Nandritra ny Blog Action Day 2013

  28 Oktobra 2013

Nandray anjara tanatin'ny Blog Action Day, hetsika eran-tany hanoratan'ireo mpitoraka bilaogy eran-tany lahatsoratra iray mikasika lohahevitra iray iombonana, ireo tetikasa (no)tohanan'ny Rising Voices, ny 16 Oktobra 2013. Nanampy tosika ireo mpitoraka bilaogy maro hafa ireo tetikasa ireo mba hizaràny ny fomba fijeriny ny Zon'olombelona ao Brezila, Nizeria ary Kôlômbia.

Sarintany Iaraha-miasa Mba Hiraketana Ireo Nanjavona Tany Meksika

  08 Oktobra 2013

Namorona sarintany iray mirakitra ireo olona 27.000 nanjavona vokatry ny "ady amin'ny zava-mahadomelina" nataon'i Meksika ny vondron'olom-pirenena iray. Hatreto dia tranga 6.890 no efa voarakitra ao anatin'io sarintany io hatramin'ny nanombohana izany tetikasa izany tamin'ny Jolay 2013.

Torolàlana Ho An'ireo Vao Hanomboka Hampiasa ny Wikimedia Commons

  06 Oktobra 2013

Mampiantrano failo media maherin'ny 18 tapitrisa izay azon'ny rehetra ampiasaina ny Wikimedia Commons. Io no toerana ahafahan'ireo mpampiasa manampy amin'ny fanaingoana ny Wikipedia sy ny tontolo manodidina azy ireo. Nefa araka ny hitan'ireo olona vaovao mandray anjara, mety ho fanamby ny fanakàrana ny tontolon'ireo zavatra azon'ny olon-drehetra ampiasaina sy mitondra fahalalana. Vao haingana izay dia namoaka boky kely iray vaovao manome torolàlana izy ireo ho fanampiana amin'ny fanamoràna ny fiaraha-miasa sy ny famatsiana votoaty.

Mamorona Rakibolan'ny Fitenenana Amin'ny Alalan'ny Tànana Ao Anaty Aterineto Ireo Aostraliana Zanatany

  03 Oktobra 2013

Ny Iltyem-Iltyem, izay midika hoe "miteny amin'ny alalan'ny tànana" amin'ny teny Anmatyerr, dia tetikasa tariham-behivavy manangona lahatsary an-jatony avy any amin'ireo vondrom-piarahamonin-janatany, manangona ireo fiteny amin'ny alalan'ny tànana izay efa nampiasaina nandritra ny taranaka maro mba hifaneraserana lavitra, rehefa miafina na misy olona hafa miteny.