Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Avrily, 2019

Iza moa i Adebayo Adegbembo, mitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 24-30 avrily 2019

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Adebayo Adegbemb, vahiny hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang Twitter mandritra ny herinandron'ny 24-30 avrily 2019. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny amin'ny fiteny Yoruba ao anatin'ny fanentanana amin'ny media sosialy mifantoka amin'ny fimaroam-piteny an-tserasera eto Afrika.

24 Avrily 2019

Fantaro i Rodrigo Pérez Ramírez, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 15-21 avrily 2019

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Rodrigo Pérez Ramíewz, vahiny hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 15-21 avrily, 2019. Hozarainy amintsika ny asany miaraka amin'ny fiteny Zapotec ao amin'ny fanentanana amin'ny media sosialy mifantoka amin'ny fimaroana fiteny an-tserasera.

18 Avrily 2019

RV newsletter: Fandraketam-peo vaovao mitrandraka ny “zava-kanto sy siansan'ny fiasana miaraka”

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika mpivoaka indroa isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana mikasika ny lafiny rehetra amin'ny fampidirana nomerika, anisan'izany ny fidirana sy ny fandraisana fitaovana nomerika, ary koa ny fomba samihafa sy ny fahafahana ho an'ny fiarahamonina mba handray anjara mavitrika amin'ny aterineto.

10 Avrily 2019