Tantara misongadina mikasika ny GV Mpisolovava
Tantara mikasika ny GV Mpisolovava
Mitady mpikaroka isaky ny firenena ho an'ny tetikasa Advox ny Global Voices
Mitady mpikaroka ao amin'ny firenena ny Advox, fanentanana ataon'ny Global Voices ho an'ny zo ankihy, handray anjara amin'ny tetikasa momba ny fiarahamonina sy ny fitondrana tsirefesimandidy [samy] mampiasa tambajotra.
Tsy hanohitra ny fandisoana ny vaovao mandritra ireo fifidianana ho avy ao Kenià ny Twitter sy Facebook
Na dia mitombo haingana aza ireo mpampiasa media sosialy ao Kenià, tohizan'ny Facebook sy ny Twitter ny fanolorana fepetra tsy mahomby sy tsy fampiasana vola betsaka amin'ny ady hanoherana ny fandisoana vaovao mifandraika amin'ireo fifidianana.
Pakistàna: Very toerana 12 tao anatin'ny Fandaharana Erantany 2022 momba ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Tatitra iray avy amin'ny fikambanana pakistaney mpiaro zo "Freedom Network" no nampahafantatra fa iharan'ny herisetra, fanenjehana ara-pitsaràna, fakàna an-kery, fitazonana am-ponja ary fandrahonana ireo mpanao gazety any an-toerana, indrindra fa avy amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny fitondrana.
Mikaroka ny fampiasana ny fitaovan’ny teknolojia ao India hanakanana ny mpanohitra mandritra ny fihetsiketsehana
Mitombo ny fampiasana teknolojia any India hanaraha-maso ny mpanohitra sy ny tsy mitovy hevitra, indrindra fa ny mpanao fihetsiketsehana, ka miteraka voka-dratsy amin'ny fahalalahana maneho hevitra.
Fifehezana ny fakom-baovao : ny fomba nivadihan'ny lalàna momba ny fandisoana vaovao ho lasa fitaovana enti-manivana
Lasa fitaovana fanarahamaso, fampanginana sy fiadiana amin'ny mpanohitra, ampiasain'ireo mpanolotra volavolan-dalàna any amin'ny firenena sasantsasany ny hoe "fakom-baovao" sy "fandisoana vaovao".
Fihoaram-pahefana, fisamborana ary fanelingelenana: Ny mahazo ireo mpikatroka ara-tontolo iainana ao Vietnam
"Ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanagadrana no sasantsasany amin'ireo tetika ampiasain'i Vietnam mba hampanginana ireo mpikatroka ara-tontolo iainana."
Nanome rariny ireo mpanao gazety Makedoniana voaheloka noho ny fanalam-baraka ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona
Tamin'ny taona 2014 sy 2015, tsy maintsy nandoa vola maherin'ny 9.000 euros ireo mpanao gazetin'ny Focus ho onitra ho an'ny talen'ny Fitantanana ny Fiarovana sy ny Fitsikilovana Mpitsikilo (Administration for Security and Counterintelligence - ASC) teo aloha Sašo Mijalkov noho ny fanalam-baraka sy fanevatevana
Mampanahy ny Malayziana ny fikasana hivarotra fampihatra tsongodia amina orinasa tsy miankina
"Noahiahian'ny rehetra fatratra ny diatongo-pifandraisana nefa ny tsongom-PIFANARAHANA no tokony ampiahiahy antsika"
Noraràna vonjimaika nandritra ny fihetsiketsehana ny sehatra media sosialy tao Sri Lanka
Naverina tamin'ny laoniny ny sehatra media sosialy ao Sri Lanka, anisan'izany ny Facebook, YouTube, Twitter, WhatsApp, ary Viber, taorian'ny fandraràna 16 ora mba hampitsaharana ny hetsi-panoherana ny governemanta ao anatin'ny fitohizan'ny krizy ara-toekarena.
Atolotry ny Global Voices Advox ho anao ny tetikasany vaovao “The Unfreedom Monitor”
Ny The Unfreedom Monitor dia fisantarana andraikitra mamakafaka ny fitomboan-trangan-tsirefesimandidy mitambajotra na ankihy. Avoitran'ny tatitra tany am-piandohana ireo kasinga mitarika anakany amin'ny fielezany.