Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Novambra, 2011

Teny: Hafanàm-po Anaty Aterineto Hanavotana Ny Teny Chakma

  30 Novambra 2011

Ny teny Chakma izay teny ifangaroan'ny endri-tsoratra Indiana sy ny Eraopeana tenenin'ny olona manodidina ny 310.000 any atsimo atsinanan'i Bangladesh ary 300.000 hafa any India amin'ny ankamaroan'ireo any amin'ny ilany Atsinanan'i India. Ny fanoratra azy dia mampiasa ny endri-tsoratra Chakma izay miala aina noho ny ankamaroan'ireo Chakmas tsy manana fahafahana mianatra ny tenin'izy ireo akory any an-dakilasy.. Saingy ireo olona avy amin'ny Chakma dia mampiasa ny media sosialy sy ny haitao hita anaty tranonkala mba hanairana ny saina sy hanelezana ny tenin-dry zareo.

Teny: Miasa Ho Amin'ny Fanomezana Aina Vao Ny Teny Nishnaabe

  09 Novambra 2011

Barbara Nolan dia mankafy ny mametraka ny talentany ho eny alohan'ny sehatra ho toy ny fomba iray hanampiana amin'ny fampivelarana bebe kokoa ireo mpiteny ny teny Nishnaabe. Ho toy ny hoe ivo ifantohan'ireo ezaka ataony, Barbara dia manatontosa lahatsary fohy karazana tantara tsangana amin'ny teny Nishnaabe, feno, miaraka amin'ny fitafy, sy feo azo jerena ao amin'ny fantsony YouTube sy pejy fandraisany.

Fampiasàna ireo Fitaovan'ny Mediam-Bahoaka Mba Hanandràtana Ireo Teny Zara Raha Misy Mpiteny

  08 Novambra 2011

Misy ireo fianakaviambe mipoitra manodidina ny fampiasàna ny mediam-bahoaka mpandray anjara sy ireo fitaovana web 2.0 mba hanandràtana ireo teny zara raha misy mpiteny. Miaràha amin'ny New Tactics, Rising Voices, Indigenous Tweets, ary ireo mpikaroka hafa amina resadresaka ao amin'ny aterineto momba ny Fampiasana Ireo Fitaovan'ny Media Sosialy mba Hanandràtana Ireo Teny Zara Raha Misy Mpiteny ny 16-22 Novambra 2011.

Teny: Ndeha Handefa Siokantsera Sy Hiteny Quechua

  02 Novambra 2011

Ireo maniry ny hianatra ny teny Quechua dia manana safidy amin'izao fotoana, na handray siokantsera isan'andro misy lesona momba ny vokabolary sy quizz. Ny kaonty Twitter @hablemosquechua na "Ndeha hiteny Quechua" dia novolavolain'ny tarika iray avy amin'ny Escuela Lab ao Lima, Pero mba hanakaikezana ireo mpianatra liana amin'ity tenim-bazimba any amin'ny faritra Andes ity.