Fantaro i Tochi Precious, mampiatrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 12-18 jona 2019

Sary nomen'i Tochi Precious.

Amin'izao taona 2019 anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fimaroam-piteny antserasera izao, hifandimby ireo Afrikana mpikatroky ny teny sy ireo mpanandra-teny amin'ny fitantanana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang hizara ny zava-niainany tamin'ny fanomezana aina indray sy amin'ny fampiroboroboana ny fiteny Afrikana. Ity lahatsoratra fampahafantarana ity izao miresaka momba an'i Tochi Precious (@Tochiprecious3) sy izay kinasany horesahana mandritra ny herinandro maha-mpampiatrano azy.

Rising Voices: Lazalazao anay ny momba anao azafady.

My name is Tochi Precious Friday (Adaugo), a multi-linguist, founder of Smarter Languages Academy, one of the founding members of Igbo Wikimedians User Group and a German language teacher.

Tochi Precious Friday (Adaugo) no anarako, mpahay fiteny maro, mpanangana ny Smarter Languages Academy, iray amin'ny mpanangana ny vondrona mpisera Wikimedians Igbo ary mpampiantra fiteny alemà.

RV: Manao ahoana ny toerana misy ny fiteninareo na amin'ny aterineto na ivelan'izany?

According to UNESCO, the Igbo Language has been marked out as one of the languages that would go extinct. Also, on the internet, there's not much activity in Igbo Language aside the conscious efforts of a few persons like: @IgboFactsandHistory, @Igboproverbs and the others on Twitter, as well as Google Translate, so we need more efforts.

Araka ny nolazain'ny UNESCO, voamarika ho iray amin'ny fiteny mety ho faty ny fiteny Igbo. Toy izany ihany koa amin'ny aterineto, tsy dia maresaka loatra ny fiteny Igbo ankoatra ireo ezaka amim-pahatsapan-tena ataon'olona vitsy tahaka an'i @IgboFactsandHistory, @Igboproverbs ary ireo hafa ao amin'ny Twitter, sy ao amin'ny Google Translate, ka mila ezaka bebe kokoa izahay.

RV: Lohahevitra manao ahoana no tianao ifantohana mandritra ny herinandro itantananao ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang?

My number 1 goal is to share why it's important to localize our tools and content in Igbo Language.I also will share a number of Igbo proverbs, discuss and outline how Igbos can begin contributing on Igbo Wikipedia, Igbo Wiktionary, join a Wiki Igbo Hub near them and also the kind of content that can be shared.
I also will discuss how the Igbo Language can be revived.

Ny tanjoko voalohany dia zavadehibe ny mahita ny toerana misy ny fitaovana sy votoaty ilaina amin'ny fiteny Igbo. Hizara ohabolana amin'ny fiteny Igbo maromaro ihany koa aho, hiresaka sy hanoritra ny fomba hanombohan'ny Igbo ny fandraisana anjara amin'ny Wikipedia Igbo, Wiktionary Igbo, ny fanatevenan-daharana ny Wiki Igbo Hub iray ary ny karazana votoaty azo zaraina.
Horesahko ihany koa ny hanomezana aina indray ny fiteny Igbo.

RV: Inona no mampazoto anao voalohany indrindra havitrika ara-nomerika ho amin'ny fiteninao? Inona avy ireo fanantenana sy revirevinao ho amin'ny fiteninareo?

To promote Igbo Language, digitize content in Igbo Language, and make it available to everyone. To also get anyone who is literate in Igbo Language to contribute to the different Igbo Language Wikimedia projects.

Hampiroborobo ny fiteny Igbo, hamadika ho nomerika ny fiteny Igbo, ary mba ho azon'ny rehetra alaina izany. Mba hahatonga izay rehetra mahay manoratra sy mamaky teny Igbo handray anjara amin'ireo tetikasam-piteny Igbo isankarazany ao amin'ny Wikimedia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.