Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Aogositra, 2018

Bilaogera vehivavy manantalenta ampahafantarina any ivelany

  28 Aogositra 2018

Nandritra ny atrikasa fitoraham-bilaogy vao haingana nokarakarain'ny Voces Bolivianas tao El Alto, Bolivia, namaly fanontaniana avy amin'ny iray tamin'ireo mpandray anjara i Cristina Quisbert. Mifandraika amin'ny dian'i Cristina tany ivelany mba hanatrika ny Fihaonambe BlogHer any Chicago, Illinois izay natao ny 24-25 Jolay 2009 ny fanontaniana.

Abidjan Blog Camps: Navotsotra i Théophile Kouamouo

  22 Aogositra 2018

Feno hatezerana sy ahiahy ny tontolon'ny bilaogy Afrikana rehefa nosamborina niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ny gazety Ivoriana mpivoaka isan'andro Le Nouveau Courrier i Théophile Kouamouo. Nampiasa bilaogin-dahatsoratra sy vondrona Facebook hanavaozam-baovao farany sy hanaparitahana ny vaovao ho an'izao tontolo izao ireo bilaogera Ivoriana toa an'i Manasse Dehe.

EWAMT: Manao fihetsiketsehana ny vehivavy 

  21 Aogositra 2018

Tonga hatrany Yemen ihany koa ny onjan'ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra . Tamin'ny volana Janoary 2011, Yemenita an'arivony no nanomboka nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Sanaa sy tany an-kafa nitaky ny fialàn'ny filoha Ali Abdulla Saleh, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 30 taona mahery.