Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jona, 2012

OpenWatch: Fampiasàna Ny Finday Hahafahan'ny Vahoaka Manara-maso

  28 Jona 2012

Ny OpenWatch dia tetikasan'ny mediam-bahoaka fampandraisana anjara izay mampiasa ny teknolojia fitondra mandehandeha mba hampalalaka ny fanaraha-mason'ny vahoaka ny fanaovana kolikoly sy ny famoretana. Mizara roa ny OpenWatch, rindrambaiko anaty finday ho an'ny Android sy ny iOS izay mitahiry feo sy lahatsary an-katakonana, ary rindrambaiko manana loharano misokatra hanangonana ireo tahiry sy mampiantrano azy ireo anatina vohikala azon'ireo mpampiasa tsidihana.

Faha-5 taonan'ny RV: Media Vaovao Ho An'ireo Mafana Fo Momba Ny Fahasalamana

  25 Jona 2012

Nanome fanohanana bitika ho anà tetikasa mediam-bahoaka miisa enina mifantoka amin'ny fahasalamana ny Rising Voices sy ny Tetikasan'ny Mediam-pahasalamana ao amin'ny Open Society Institute tamin'ny taona 2008. Iray amin'ireo tetikasa tohanana ireo ny tetikasan'ny fikambanana AZUR Development miaro ny zon'ireo voan'ny SIDA any Brazzaville, Kongô izay nanofana ireo mpiasan'ny fifandraisana ao anatin'ireo fikambanana any an-toerana miady amin'ny SIDA mikasika ny fitantarana tantara dizitaly, ny fanaovana podcast, ary ny famoronana bilaogy mba hamoronana tahirin-kevitra momba ny fitsaratsaram-poana sy ny fanavakavahana ny olona voan'ny VIH SIDA sy ny manodidina azy any Kongô