Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jona, 2017
Mitady Ny Fomba Hampiroboroboana Ny Fandraisan'anjaran'ny Tompotany Ao Amin'ny Wikipedia Ny Rising Voices ao amin'ny Iberoconf 2017
Nanatrika ny fihaonambem-paritra Ibercoop ny Rising Voices tamin'ny 10 ka hatramin'ny 12 Jona mba hijery ny fomba hanohanana bebe kokoa ny fandraisana anjaran'ny tompotany ao amin'ny Wikipedia.
Hetsika Filazana Tantara Mikendry Hiarovana ny Fahasamihafana Ara-piteny
"Ahoana izany hoe miresaka amin'ny mpihaino izay tsy mahatakatra ny fiteninao izany?"
Fiteny: Topimaso Momba Ny Fifanakalozan-kevitra An-tserasera Ato Amin'ny Rakipeo Global Voices
Ato amin'ity fizaran-tantaran'ny rakipeo Global Voices volana Novambra ity, mifantoka amin'ny fampiasana ny fiteny izay sarotra hita ao amin'ny Aterineto ny lohahevitry ny adihevitra. Manolotra ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera amin'ny alàlan'ny "Fampiasana ny Fitaovan'ny Mediam-bahoaka mba Hampiroboroboana Ny Fiteny tsy dia Fahita Loatra " ihany koa ny rakipeo.
Guinea-Bissau Asongadina Ato Amin'ny Rakipeo Global Voices
Nasongadina vao haingana ato amin'ny fizaran-tantara vaovao eto amin'ny rakipeo Global Voices ny tetikasa Rising Voices "Ny Feon'ny Tanora ao Bandim sy Enterramento". Henoy ny feon'ny tarika Manjuandadi izay tarika mpihira vehivavy ao an-drenivohitr'i Bissau.
[Rakipeo] Fanavaozam-baovao avy Amin'i Chennai Mangarahara
Niresaka momba ny fivoaran'ny tetikasa andraisana anjara an-tsarintany ao Chennai, India izahay vao haingana niarahana tamin'i Siddharth Hande avy ao amin'ny tetikasa Transparent Chennai tohanan'i Rising Voices ara-bola. Nanome fanavaozam-baovao tsy tapaka sy fampahafantarana fototra momba ny tanjon'ny tetikasa ao amin'ny bilaogin'ny tetikasa i Sid.
[Rakipeo] Ny Andro Ho An'ny Fitenenana Boliviana
Tamin'ny 19 Aprily, nampiantrano ny Andron'ny Fitenenana Boliviana ny Voces Bolivianas tao amin'ny toerana miisa valo samihafa manerana ny tanàndehibe Boliviana miisa enina, hetsika voarindra iray andro izay manofana ny Boliviana am-polony amin'ny fomba hanombohana ny bilaoginy manokana sy ny fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera nasionaly sy manerantany .