Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Septambra, 2018

HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra

  27 Septambra 2018

Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008, 2009) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Ambara fa miditra dingana faharoa ny Technology for Transparency Network, (Tambajotran'ny Teknolojia ho an'ny mangarahara)

  25 Septambra 2018

Miditra amin'ny dingana faharoa amin'ity volana ity noho ny fanohanana tsy tapaka avy amin'ny  Transparency and Accountability Initiative ny Technology for Transparency Network, tetikasa Rising Voices mandrakitra sy mametraka an-tsarintany ireo tetikasa manerana izao tontolo izao izay mampiasa teknolojia an-tserasera mba hampiroboroboana ny mangarahara sy ny tamberina andraikitra.

Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales

  21 Septambra 2018

Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.

Fampahafantarana ny tetikasa firesahana momba ny fady

  20 Septambra 2018

Mitohy ny fanomanana ho an'ny atrikasa voalohany ao amin'ny tetikasa "Miresaka ny Fady" nokarakarain'ny ekipa avy ao amin'ny vondrona ao Kairo Nazra for Feminist Studies, iray amin'ireo tetikasa telo eto Ejipta izay tohanan'ny Rising Voices amin'izao fotoana izao.