Mampitandrina Momba Ny Fanondranana Olona An-tsokosoko Ny Fanentanana Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Però

“Mila vehivavy, tanora sy tsara tarehy, 1,500 ka hatramin'ny 2,000 Soles isan-kerinandro ny karama . Asa tsara. Sary avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaha Anatiny Peroviana, kaonty Twitter , nozaraina betsaka antserasera.

Nanome voninahitra ny Andron'ny Fisorohana Fanondranana Olona An-tsokosoko tamin'ny 23 Septambra ny Minisiteran'ny Raharaha Anatiny Peroviana  tamin'ny fanombohana ny fanentanana mitondra ny lohateny hoe “Que no te encuentren” (Aza avela hahita anao izy ireo), izay mikendry hanohitra ny fanondranana olona an-tsokosoko ao Però. Nahitana ny famoronana ‘asa’ hosoka izay mitovy amin'ny karazana fanjonoana ampiasan'ny fikambanan-jiolahy hamitahana ireo tanora ilay fotokevitra. Niroborobo fatratra tao amin'ny tambajotra sosialy ity tetikady mikendry ny tanora ity ary hoy ny fanambarana avy ao amin'ny Ministeran'ny Atitany raha nanazava hoe  :

La iniciativa […hizo uso de] avisos de trabajo en diversos diarios, así como afiches pegados en puntos públicos de [diversos] distritos de [Lima].

Durante cuatro días, 1.000 ciudadanos preguntaron sobre las ofertas laborales a través de mensajes de WhatsApp y llamadas telefónicas. Los avisos fueron publicados sin más información que “Se busca señorita” y “Se busca joven”, y con los montos de pago de entre S/1.500 y S/2.000.

Se convocó a 30 personas, [para ser entrevistadas] en un local que fungía de agencia de empleos […]. Policías mujeres vestidas de civil se hicieron pasar por entrevistadoras y les propusieron a los jóvenes viajar sin avisar a sus padres y dejando su DNI [documento nacional de identidad].

Veinticinco de ellos aceptaron la propuesta.

 

Ny fanentanana [… nampiasa] ny tolotr'asa ao anatin'ny gazety samihafa, sy afisy eny rehetra eny ihany koa any amin'ny distrika [samihafa] ao [Lima].

Nandritra ny efatra andro, nisy olona an'arivony nanontany momba ny asa izay natolotra tamin'ny alalan'ny hafatra sy antso WhatsApp. Navoaka tsy misy fanazavana hafa ankoatra ny “Mitady Vehivavy ” sy ny hoe “Mila Vehivavy Tanora” ny dokambarotra, ary eo anelanelan'ny S / 1.500 sy S / 2.000 ny karama .

Olona telopolo no nampanantsoina, [mba hanaovana antsafa] tao amin'ny orinasa iray izay nilaza ho toeram-piasana […]. Vehivavy polisy manao fanamiana sivily no mody nampanao antsafa ary nilaza tamin'ireo kandidà tanora mba handeha tsy hampilaza ny ray aman-dreniny sy hanome ny karapanondrony.

Dimy amby roapolo tamin'izy ireo no nanaiky ilay sosokevitra.

Ao Però,  850 Soles isam-bolana na mihoatra kelin'ny 260 dolara Amerikana no karama farany ambany,  raha toa ka nanome eo anelanelan'ny 1.200 ka hatramin'ny 2.000 Soles (370 ka hatramin'ny 610 dolara) ity asa “sandoka” ity. Tena nahaliana indrindra ireo tanora mipetraka any amin'ny faritra be mponina  izay namoahana ny tolotr'asa tokoa izany. Tanora maro no namaly tamim-pahatsorana noho ny fitadiavana asa.

Raha vantany vao vita ny resadresaka nifanaovana momba ilay asa  dia nampahafantarin'ireo polisy ireo kandidà fa anisan'ny fanentanana “No dejes que te encuentren” (Aza avela hahita anao izy ireo) izany rehetra izany, mba hanaporofoana ny fomba nahatratraran'ireo mpanondrana an-tsokosoko ireo lasibatra.

Tao amin'ny pejy Facebook nisy ny fanentanana , nizara ny lahatsarin'ny fanadihadiana namboarina momba ilay asa ny minisitera ary nisy ny voatra nafohezina izay nalefa tao amin'ny YouTube:

Nahazo fanehoan-kevitra maro samihafa ny tenirohy #QueNoTeEncuentren  [Aza avela hahita anao izy ireo] tamin'ilay fanentanana maranitra tao amin'ny Twitter  :

Raha mahita ity dokambarotra ity ianao dia manasa anao hijery ity lahatsary ity.

Aza avela hahita anao izy ireo.
Ry vahoaka, miangavy mba mahaiza mitsara. Aza sodoka amin'ny dokambarotra mamitaka. Miankina amintsika ihany koa ny fisorohana ny fanondranana olona an-tsokosoko.

Aza avela hahita anao ry zareo. Faly aho fa nisy ihany ny firesahana momba ity olana ity. Fahita matetika izany any amin'ireo faritra misy fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tsy ara-dalàna sy ny fanondranana zava-mahadomelina.

Androm-pirenena ho fisorohana ny Fanondranana Olona An-tsokosoko , aza avela hahita anao ry zareo.

Mahakivy ireo tarehimarika momba ny fanondranana olona an-tsokosoko. Araka ireo tatitra tamin'ny taona 2015 , latsaky ny telo amin'ireo olona miisa 100 voampanga no voaheloka tamin'ny fanondranana olona an-tsokosoko ary tsy ampy taona ny 60%-n'ireo niharam-boina. Lahatsoratra iray nosoratan'ny mpanao gazety Grecia Delta no mitantara mampihorikoditra ny fanondranana olona an-tsokosoko, izay mampiseho ny fomba naha-voafandrika ireo niharam-boina ary ‘avotra’ tatỳ aoriana tamin'ny alàlan'ilay rafitra. Lava sy sarotra ny dingana fanarenana vokatry ny fanondranana olona an-tsokosoko, ary hita ao amin'ny fijoroana vavolombelon'ireo tanora, matetika ahitana fampijaliana sy fanavakavahana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.