Miasa Ho An'ny Wi-Fi an-Tanàndehibe Voalohany Ao Shily

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tanàndehibe misy mponina manodidina ny 25.000 i Salamanca (ES) . Ao amin'ny faritra fahefatra, Coquimbo no misy azy . Antsoina hoe “Salamanca : monisipalite voalohany amin'ny Taonjato faha XXI ” ny tetikasa. Araka ny fanazavan'i Atina Chile (ES), ahitana ny fandraisana anjaran'ny monisipaliten'i Salmanca (ES) , ny orina Mpanasoa Pelambres Copper , D-link ity tetikasa ity, ary nokarakarain'ny Orina Mpanasoa Mercator (ES) . Nanomboka tamin'ny volana Mey izany ary araka ny tranonkala, hifantoka amin'ny:

  • Wi-Fi maimaim-poana ho an'ny monisipalite iray manontolo
  • Fampianarana mamaky teny sy manoratra nomerika faobe ho an'ny vondrom-piarahamonina
  • Tolotra fidirana amin'ny fotodrafitrasa ara-teknolojia amin'ny vidiny mirary
  • Fananganana Monisipalite nomerika
  • Fampiroboroboana fandraisana anjara amin'ny fampahalalam-baovao nomerika
  • Fanentanana bilaogy 1 isaky ny olom-pirenena
  • Mpilatsaka an-tsitrapo antserasera manerana ny firenena mba hampianatra mamaky teny sy manoratra ny vondrom-piarahamonina

Nanoratra i Paula Rojo (ES), avy amin'ny Orina Mpanasoa Mercator hoe:

The 60 volunteers have understood that the children and senior citizens will look at photos while connected in the main park of Salamanca; the 300 students of digital literacy; the 200 students that are going to write on a blog, and the fact that all the authorities are working to revolutionize the city are evidence that confirm that is possible to decrease the gap that on paper cannot be removed.

Fantatr'ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa 60 fa hijery ireo sary ny ankizy sy ny olom-pirenena zokiolona rehefa mifandray ao amin'ny kianja be ao Salamanca izy ireo; ireo mpianatra miisa 300 ao amin'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra nomerika; hanoratra ao amin'ny bilaogy iray ireo mpianatra miisa 200, ary ny manampahefana rehetra miasa ho an'ny fanovana ny tanàndehibe dia porofo manamarina fa azo atao ny mampihena hantsana izay tsy azon'ny taratasy esorina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.