Però: Ny Ranom-boankazo Amazoniana

(Marihina fa tamin'ny 5 Janoary 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Alejandro, Peroviana monina any California izay namaritra ny bilaoginy isankarazany ho “tetezana mampitohy an'i California, Però, izao tontolo izao, ny tenako, izy ireo no fitaratro.” Niverina tany Però izy vao haingana ary sambany nitsidika ny faritra avaratra atsinanan'i Amazonia sy naka sary maromaro mampiseho ny fivarotana sakafo eny an-dalambe ao an-toerana havoakany ao amin'ny bilaoginy mampilela-molotra antsoina hoe Peru Food.

 

peru drinks

This guy is selling icy cold tropical fruit drinks, perfect for the hot and humid Amazonian climate. The pink drink is made from a local fruit, camu camu, (Myrciaria dubia) and is delicious and refreshing. The yellow drink is made from the fruit of the aguaje palm, known in English as the Moriche palm (Mauritia flexuosa). I loved the tangy flavor of camu camu and had it in different ways: as a cold drink, as an ice cream, and as a sorbet.

Mivarotra ranom-boankazo an-tany mafana nampangatsiahana ity lehilahy ity, izay natao tsara ho an'ny toetr'andro mafana sy mando amazonianina. Avy amin'ny voankazo eo an-toerana, camu camu, (Myrciaria dubia) ilay ranom-boankazo mavokely ary tena mamy sy mamelombelona. Ny ranom-boankazo mavo dia avy amin'ny voankazon'ny voanio aguaje, fantatra amin'ny teny anglisy hoe voanio Moriche (Mauritia flexuosa). Tiako ny tsiron'ny camu camu marikivikivy ary natao tamin'ny fomba samihafa izany: toy ny gilasy, ary toy ny klarinety.

Aza adinoina ny mijery ny sary sy ny filazalazana momba ny juanes, yucca chips, ary ny aguajes.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.