· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Marsa, 2013

Dima Al Khatib Mahatsiaro an'i Hugo Chavez

Ny sasany tia azy, ny hafa mankahala azy, saingy mitana anjara toerana manokana ao amin'ny fon'ilay mpanao gazety Arabo Dima Al Khatib ny filoha Venezoelana farany Hugo Chavez. Amin'ny maha-lehiben'ny Al Jazeera azy amin'ny sampana any Amerika Latinina, dia nanana fifandraisana akaiky tamin'i Chavez ity mpanao gazety Syriana fa PPalestiniana tamin'ny...

Dihy Karinavaly Samba Mandritra Ny Mondialy Ao Brezila

  07 Marsa 2013

Anisan'ny fitantarana manokana amin'ny #CopaPública ity lahatsoratr'i Mateus Coutinho ity, izay navoaka voalohany tamin'ny 8 Febroary 2013, tamin'ny lohateny hoe Carnaval e Copa, será que dá samba? Manoloana ny fandroahana an-katerena sy ny fifaninanana tombotsoa politika amin'izao fahatongavan'ny fifaninanana Tompon-daka Manerantany FIFA 2013 ao Brezila izao, nifamaly momba ny fandresena dihy samba ireo vondrona mpankafy...

Misaona Ny Fahafatesan'ny Filoha Chávez ny Kiobàna

  07 Marsa 2013

Lahatsoratra [es] nosoratan'ny La Redacción IPS Cuba, navoaka voalohany tao amin'ny Sampan-gazety IPS-Inter Olom-pirenena marobe no naneho ny fahakiviny sy ny alahelony tamin'ny alalan'ny media sosialy noho ny fahafatesan'i Hugo Chávez. “Mbola mampangovitra anay hatrany ny vaovao, sarotra inoana. Lalina sy mandratra fò ny alahelo, saingy tsy maintsy manome voninahitra ireo...

Telo Andro Fisaonam-pirenena Ao Ekoatera Taorian'ny Fahafatesan'i Chávez

  07 Marsa 2013

Namoaka didim-panjakana telo andro fisaonam-pirenena ny Filohan'i Ekoatera, Rafael Correa (@MashiRafael) [es], taorian'ny fahafatesan’ [mg] ny filohan'i Venezoelà, Hugo Chávez. Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notanterahina tao amin'ny lapan'i Carondelet, nilaza i Correa fa “tsy afaka ny hifampilaza fa maty ireo izay mitolona amin'ny fiainana”. Nilaza [es] ny Filoham-pirenena fa noho ny...

Venezuela: Fihetseham-po Voalohany Tamin'ny Fahafatesan'i Hugo Chávez

  06 Marsa 2013

Tamin'ny 5 Marsa 2013, no nandrenesan'izao tontolo izao ny fahafatesan'ny [mg] filohan'i Venezuela, Hugo Chavez Frias. Nangoninay ny fihetseham-po voalohany nifampizarana tao amin'ny tambajotra sosialy, indrindra fa izay hitao tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny fanarahana ny tenifahatra #MuereChávez (Maty i Hugo Chávez).

Ekoatora: Tezitra Noho Ny Fahatapahan'ny Famatsian-drano Ny Mponina Ao Loja

  06 Marsa 2013

Anaty fepetra amin'ny tany misahotaka ny faritanin'i Loja amin'izao fotoana izao: efa ho herinandro iray mahery, tanàna mpifanilo-bodirindrina efa ho 60 mahery no tsy manana rano madio fisotro, noho ny olana mianjady amin'ny fantsona goavana famatsiana rano. Naneho ny tsy hafaliany mikasika azy io sy ireo olana hafa any amin'ny faritra ny mponina ao amin'ilay faritany , tamin'ny fampiasana ny tenifototra #Loxaindignada sy #Lojaindignada [es, Loja tezitra].

Venezoela: Nodimandry i Hugo Chávez

  06 Marsa 2013

Io hariva io (05/03/2013), no nambaran'i Nicolás Maduro, filoha lefitra, ny fodiamandrin'ny filohan'i Venezoela, Hugo Chávez Frías. Avy hatrany dia naneho hevitra tamin'ilay fanambaràn'i Maduro ireo mpampiasa Twitter.