Fitokonan'ny Mpamboly Kafe: Ny Olana Ao Ambadiky Ny Kafe Kolombiana

Andiany iray amin'ireo Kolombiana mpamokatra kafe no nitokona hatramin'ny 25 Febroary noho ny fitontongan'ny vidin'ny voan-kafe, olana iray izay niteraka fahantrana teny anivon'ireo mpamokatra azy ity.

Efa herintaona mahery niainana tanaty olana ilay fikambanana, “olana natosiky ny vidiny ambany loatra, ny famerenana nandinika ny sandam-bola ‘Peso’ Kolombiana manoloana ny dolara, ary hatramin'ny fihenan'ny fanafàrana, ny halafon'ny vidin'ireo zezika sy famonoana bibikely,  ny fihenan'ny vokatra notàzana noho ny orambe nikija sy ny pestan'ny fahalovana [mpahazo ny voan-kafe]”, araka ny tatitra iray tao anatin'ny gazety Kolombiana El Espectador [es]

Manamafy ireo mpamokatra kafe fa tsy nanome antoka mihitsy ny governemanta mba hiarovana azy ireo amin'izao toe-draharaha izao, ary na eo aza ny fifanarahana iray [es] teo amin'ny governemanta sy ny Federasionam-Pirenena ivondronan'ireo Mpamokatra Kafe, betsaka ireo mpamokatra kafe no manohy mibahana ny arabe eran'ny firenena, milaza fa tsy mahatsapa ho voasolo tenan'ny mpitarika ilay fikambanana izy ireo.

Maro dia maro ny sary fanohanana ny fitokonan'ireo mpamboly kafe no mivezivezy ao amin'ny Facebook, toy ity iray ity avy amin'ny pejin'ny Universidad Pública de Colombia [es], izay anehoan-dry zareo an'ireo tantsaha ho toy ny maherifo ao anatiny:

Los héroes en Colombia si existen.

“Tena misy any Kolombia ny Maherifo!”. Sary nozaraina ao amin'ny pejy Facebook an'ny Universidad Pública de Colombia.

Ny sary manaraka, nakarin'i El Rebelde Medios informativos [es], dia maka sary an-tsaina ny fotoam-piotàzana :

"Yo apoyo el paro cafetero"

“Manohana ny fitokonan'ny mpamboly kafe aho”. Sary nozaraina tao amin'ny Facebook an'ny El Rebelde Medios Informativos.

Weimar Ospina Muñoz [es] nizara iray tamin'ireo sary izay niparitaka be tety anaty tambajotra sosialy, niampanga ny herisetra nahazo ireo tantsaha nataon'ny mpitandro filaminana avy amin'ny fanjakana.

Cafetero herido en enfrentamientos con la policía.

Mpamboly kafe naratra tao anatin'ny fifandonana tamin'ny polisy. Sary nozarain'i Weimar Ospina Muñoz sy hafa koa mpampiasa Facebook.

Weimar nilaza hoe:

Un país donde la fuerza publica no tiene respeto por nadie. Acaso creen que lo que se sientan a almorzar lo producen la oligarquía o el gobierno???… No … lo producen sus víctimas el campesino que horror.

Firenena iray ahitàna mpitandro filaminana avy amin'ny fanjakana tsy manaja na iza na iza. Mihevitra marina tokoa va re ry zareo ireo fa ny sakafo miditra any am-bvany dia olom-bitsy na ny governemanta no mamokatra azy???… Tsia… ny tantsaha no mamokatra azy ireny, ireo mizaka ny ataony, mahatsiravina loatra.

Toy ny ao amin'ny Facebook, nanjary sehatra iray koa ny Twitter hanehoana fomba fijery mikasika ny fitokonan'ireo mpamboly tamin'ny alàlan'ireo tenifototra #Parocafetero [fitokonan'ny mpamboly kafe], #Colombiadicecafeterostienenrazon [Hoy Kolombia hoe manana ny rariny ireo mpamboly kafe] ary #yoapoyoelparocafetero [Manohana ny fitokonan'ireo mpamboly kafe aho].

Derly Franco (@franco_derly) [es], manondro ny dingana am-pilaminana misy ankehitriny eo amin'ny governemanta sy ny mpiady anaty akata FARC , dia niteny hoe :

@franco_derly: Lastimosamente Tenemos Un Presidente Que Prefiere Hablar Con Asesinos, Que Con Campesinos..! #YoApoyoElParoCafetero

@franco_derly: Indrisy fa filoha mifidy ny hiresaka amin'ny mpamono olona no ananantsika fa tsy hiresaka amin'ny tantsaha..! #YoApoyoElParoCafetero

Teto (@johnceta) [es] niaiky hoe:

@johnceta: Los terroristas piden indultos y pensiones vitalicias! Nuestros campesinos sólo piden que les paguen lo que trabajan #yoapoyoelparocafetero

@johnceta: Mitaky famelàn-keloka sy fiahiana ny fiainany mandra-maty ireo mpampihorohoro! Ny tantsahantsika kosa mitaky ny handoavana aminy ny vidin-katsembohany #yoapoyoelparocafetero

Raha i Nury Rivera (@Nury_Rivera) [es] kosa niteny hoe :

@Nury_Rivera: Si nosotros mismos no apoyamos las causas de justicia en nuestro país entonces quien

@Nury_Rivera: Raha tsy manohana ny ady ara-drariny sy ny fahamarinana eto amin'ny firenentsika isika dia iza no hanao azy

Ary i Leszly Kálli (@leszlykalli) [es] nizara lahatsary iray izay nivezivezy nanerana ny tambajotra sosialy nampiseho tantsaha iray izay nampihetsi-po rehefa nitantara ny toe-draharaha :

@leszlykalli: Inevitable el sabor amargo del café con el sufrimiento de nuestros campesinos caficultores

@leszlykalli: tsy azo ihodivirana fa harikivy ny tsiron'ny kafe noho ny hirifirin'ireo tantsahantsika

 

Tamin'ny fotoana namoahana azy ity, nanao fanambaràna ireo tantsaha mpamboly kafe [es] fa mety hanao diabe ho any Bogotá renivohitra ry zareo amin'ny Talata 12 Martsa, raha toa ny governemanta tsy manome vahaolana mahomby alohan'izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.